Finoana

JMJ 2012 Manampy amin’ny fampiantranoana ny mpizaika ny cristalline


  • Alatsinainy 03 Septambra 2012

Renivohitry ny finoana katolika mandritra ny herinandro ny tanŕnan’Antsiranana.

 Tanora mpino katolika miisa 40.000 no mandray anjara amin’ny Andro iraisam-pirenen’ny tanora na JMJ izay hotontosaina ao an-toerana manomboka amin’ny alarobia 05 ka hatramin’ny alatsinainy 10 septambra ho avy izao. Ao Antsiranana rahateo no mamarana ny famangiany ny mpino ny sisan-taolambalon’i Don Bosco mialoha ny hihazoany an’i Maorisy. Hitombo 50%, araka izany, ny isan’ny mponina ao an-drenivohitry ny Faritra DIANA ao anatin’io hefarana io.

Manampy ny mpikarakara amin’ny fandraisana sy fampiantranoana ireo vahiny be dia be ireo ny orinasa Eau Vive. Nanolotra fitaovana fanamorana ny fananganana karazana tranolay ny orinasa amin’ny alalan’ny vokatra “cristalline” ankoatra ny fanomezana fitaovana fanangononana rano fisotro madio. Ankoatra izay dia efa ao anatin’ny vinany koa ny hampiala hetaheta ireo mpandray anjara rehetra sy ny fizarana fanomezana kely (goodies). Manodidina ny 10 tapitrisa Ariary eo ho eo ny tetibola fanohanana holanian’ny cristalline mandritra ity andiany fahafito amin’ny andro iraisam-pirenen’ny tanora ao Antsiranana ity.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT