Finoana

Jirama Hividianana milina antitra atsy Maorisy ?


  • Talata 31 Janoary 2017

Delestazy ? Olana io manerana ny Nosy. Tsy antoandro, tsy alina. Efa tsy hita pesipesenina ny fatiantoka aterany.

Vao ny 14%-n’ny Malagasy anefa no misitraka jiro, nefa tsy vitan’ny Jirama ny mamaly ny filany. May volontratra ny mpitondra HVM mikaro-kevitra hanalefahana io fahatapahan-jiro lava io. Natomboka tamin’ny fanesorana tamin’ny toerany ny Tale jeneralin’ny Jirama, Razafindrorika Nestor sy ny fandravana ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama notarihin’i Rachidy Mohamed izany mba nampitoniana ny fanakianan’ny olona. Izao dia re indray fa mikasa hividy milina mpihary herinaratra atsy amin’ny nosy Maorisy ny fanjakana Malagasy, ho an’ny Jirama hanalefahana io delestazy io. Milina miisa efatra manana tanjaka 13MWatt isanisany eo izy ireo. Mbola am-perinasa saingy efa antitra, 40 taona niasana. An-dalam-panamboarana ny hasolo azy ny Maorisianina amin’izao. Milina mpihary herinaratra vaovao miisa efatra manana 15MWatt isanisany no hapetraka amin’izany, ary tombanana hiasa any amin’ny volana septambra 2017. Nisy iraka avy aty Madagasikara tonga nitsirika ireo milina “antitra” ireo tany Maorisy ny herinandro lasa iny. Tsy mbola re kosa na raikitra ny varotra na tsia. Raha tsy raikitra, dia heverin’ny Maorisianina hatao fakana kojakoja fanolo ho an’ireo milina mpihary herinaratra vao hapetraka ireo milina antitra ireo. Raha toa ka raikitra ny “sera” dia ho sanatria ve ka masinina tonta efa 40 taona niasana toy izany no hireharehan’ny mpitondra ho vaovao hamahana olana ny delestazy eto Madagasikara ?

 

Jean D.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT