Finoana

Jihadisma, fananganana Mosquée 2000 Milaza ny heviny ny mpino Silamo


  • Zoma 01 Jolay 2016

Naneho ny heviny mikasika ny ahiahin’ny olona amin’ilay fananganana mosquée miisa 2.000 eto amintsika Andriamatoa Sheik Rijaly Jean Bel, filohan’ny mpanorina sady tale jeneralin’ny UMMI

( Union des Mouballighs Malagasy Ithna Anshari) etsy Ampasika Atsimondrano. Nambarany tamin’izany fa mahavariana azy loatra ny fahatairan’ny olona mikasika izany vaovao izany satria fotodrafitrasa hitaiza sy hanasoa ny mpiara-belona ny mosque raha araka ny nambarany. Ny épi-bar izay miparitaka  etsy sy eroa hoy izy no tokony hahaitra ny olona izay mahazo alalana hatrany tsy misy sakantsakana. Na izany aza anefa dia nambarany fa ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra no tokony hamaly izany, ireto  farany izay efa samy nanda mafy ny amin’ny tsy fahafantarany izany. Mikasika ny fanaparitahan’izy ireo ny finoany manokana dia notsindriany fa tsy misy paikady manokana hananan’ny mpino  Silamo akory. Ireo mpino Silamo  manana hatsaram-po sy be fitiavana hoy izy no miezaka mizara izany amin’ny mpiara-belona satria adidiny izany ka afaka mandray avokoa izay liana. Notsindriany manokana moa ho an’ireo Jihadista na Slamo mahery fihetsika fa anarana toy ny anarana rehetra io izay midika ho fanaovana ezaka masina amin’ny finoana ho azy ireo ka tsy fantany ny ankoatra izay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT