Finoana

Jesosy Mamonjy Tsarahonenana Naneho ny alahelony ireo mpino


  • Talata 11 Aprily 2023

Naneho ny alahelony ny mpino ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Tsarahonenana, izay nilaza fa iharan'ny tsindrihazolena,

tsy mba afa-nankalaza ny paska satria tsy vitan'ny nakaton'ny fanjakana tsy azo idirana ny fiangonana, fa na eo an-tokontany aza tsy azo ivavahana araka ny naoty navoakan’ny préfet tamin’ny zoma masina fa hoe manohintohina ny filaminam-bahoaka. Fototry ny olona ny fifidianana ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana na PCA izay mbola any amin’ny Filankevi-panjakana ny raharaha nefa manao amboletra ny Atoa Randrianatoandro Raymond, hoy ireo mpino. Anisany ny ambaran’izy ireo fa hosoka sy halabato tamin’ny fifidianana Filankevi-pitondrana (CA), ny fanitsakitsahana ny fitsipika anatiny mifehy ny Fikambanana Jesosy Mamonjy tamin’ny fifidianana Biraon’ny Firaisan’ny mpitandrina (BCP) tsy nisy fiantsoana fivoriamben’ny mpikambana rehetra, hoy ireo mpino. Nisy ihany koa ny fanovana ny foto-pampianarana (Doctrine) Jesosy Mamonjy, toy ny fanavakavahana mampisara-bazana; fananganana vondrona SOS sy fanakaramana mpikarama an’ady iza tsy ao anatin’ny sata mifehy ny fiangonana; fisandohan’andraikitra na “usurpation de fonction” amin’ny alalan’ny famindran-toerana amboletra ireo mpitandrina manerana ny Nosy amin’ny fidirana an-kerisetra toy ny famakiana vavahadim-piangonana sy fihoarana amin’ny fefim-piangonana sy fandratrana sy famonoana ireo mpiambina. Raikitra ny fangatahana ny hamerenana nyy fifidianana CA sy ny Biraon’ny BCP, ary ny fanovana ny mpikambana. Miantso fanadihadiana lalina mikasika ny zava-niseho teo anivon’nyy Jesosy Mamonjy Tsarahonenana ny 25 martsa 2023 teo ireo mpino, fa tsy tokony mandray fepetra manakatona ny fiangonana avy hatrany. Tsy mbola nisy ady na korontana teo anivon’ny Jesosy Mamonjy ao Tsarahonenana hatrizay fa ny fanafihana nataon’ireo iraka avy amin’Atoa Randrianatoandro Raymond no nahatonga ny savorovoro ka tsy ekenay izao fanakatonana izao,… hoy ireo mpino. Vokany, nanamafy izy ireo fa tsy ekeny ny famindrana ny mpitandrina raha tsy ara-dalàna ny Biraon’ny BCP.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT