Finoana

Jesosy Mamonjy Ankorondrano Mahazo misokatra amin’izay


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Nivoaka ny alatsinainy 13 desambra teo ny didim-pitondrana faha-142/2021-MID-PREF.POL. avy amin’ny Prefektioran’ny Polisy Analamanga eo ambany fiadiadian’ny Minisiteran’ny Atitany,

 manambara ny fisokafan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Foibe ao Ankorondrano, izay voatery nakatona noho ny disadisa anatiny niseho volana maro izay. Làlana nahafahana nizotra tamin’io ny nahavitana sonia ny tondrozotram-pandaminana tsy maintsy arahina voasonia ny 10 desambra teo. Misy andininy 9 io, ka isan’izany ny maha manan-kery ny sata sy ny fitsipika anatiny voapetraka any amin’ny Minisiteran’ny Atitany; Manan-kery ny rafitra rehetra misy toy ny “conseil d’adminisitration” sy ny “collège des pasteurs”; Ajoro ny “Comité transitoire du conseil d’administration” hitarika ny “conseil d’administration” sy ny raharaham-pitantanana ny fiangonana ka olona 4 no mandrafitra azy izay roa avy ho an’ny andaniny sy ny ankilany, ary ny filoha lefitra no miantso sy mitarika fivoriana; Ny fanapahan-kevitra rehetra dia iarahana mandray (Direction collégiale); Ny famoaham-bola rehetra dia tsy maintsy misy sonian’ny mpitantana 4,… Noho io tondrozotra io, dia nambaran’ilay didim-pitondrana nivoaka ny 13 desambra, fa foana sy tsy manan-kery intsony ny taratasy manambara ny Fikatonan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy eny Ankorondrano. Misokatra ny fiangonana taorian’ny fahavitana sonia ny didim-pitondrana, ary foana avokoa ny fepetra rehetra teo aloha mifanohitra amin’io didy io .
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT