Finoana

Ivontoerana fanofanana Tily Vita ny fotodrafitrasa vaovao


  • Zoma 28 Septambra 2018

Vita soa aman-tsara ny asa fanamboarana ny Ivontoerana fanofanana Tily eto Madagasikara na ny IFTEM eny Antsahamarofoza.

Ny alarobia teo no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa, trano lehibe izay marihina fa sambany teo amin’ny tantaram-piainan’ny Tily no manana sy misitraka azy. Misokatra ho an’ny rehetra ny trano, araka ny fanazavana azo. “Hampanofainay  ho an’ny olona rehetra tsy an-kanavaka izao trano izao, indrindra ireo izay manana fikasana hanao fiofanana na fivoriana samihafa”, hoy i Tsiory Rakotomavo, filohan’ny tari-panofanana Tily eto Madagasikara. Ahitana efitrano folo ao amin’ity tranoben’ny tily ity, ambony sy ambany. Tafiditra ao ireo efitrano roa lehibe mahazaka olona 100 isa avy. Mety tsara ho an’ireo izay hikarakarana raharaha na hivory misintaka kely ny renivohitra ny fotodrafitrasa misy. Valo volana no naharetan’ny asa ary volan’ny fikambanana madiodio no nanatanterahana azy. Entina hikojakojana ny trano sy hanohanana ny mpiofana ny vola rehetra miditra aorian’ny fampanofana.

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT