Finoana

Ivato Seranana Vavahadin’ny Lanitra 12 tapitrisa ariary hitoriana ny Filazantsara


  • Alatsinainy 08 Febroary 2016

Tontosa soa aman-tsara ny fanitarana ny tranon’Andriamanitra Ivato Seranana Vavahadin’ny Lanitra.

 

Hiompana amin’ny sehatry ny fitoriana ny Filazantsara kosa ny asa lehibe hotanterahan’ny fiangonana amin’ity taona vaovao 2016 ity. Nanomana 12 tapitrisa ariary moa ny fiangonana hanatanterahana tafika Masina any amin’ny distrikan’i Sambava. Tanjona farany amin’ny hetsika ny fikasana hanorina trano fivavahana any an-toerana, hoy ny mpitandrina Rasoloarijao Jean. Hitohy ihany koa ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra isaky ny roa na telo volana ho an’ny mpino kristianina ao amin’ny tanànan’Ivato Seranana sy ny manodidina. Hifanindran-dalana amin’io ny asa sosialy fanampian’ny fiangonana ireo sahirana, kamboty, mahantra sy manano tena miaraka amin’ny sekoly ao anatin’ny kaominina.

Ramano F.


 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT