Finoana

Ivato Miara-miasa ny Kaominina sy ny Jesosy Mamonjy


  • Talata 07 Jona 2016

Miara-miasa amin’ny Fiangonana ary misokatra amin’ny fiaraha-miasa miteraka fampandrosoana ny Kaominina Ivato.

 

  Nambaran’ny Ben’ny tanàna ao Ivato, Randrianarisoa Penjy io nandritra ny fitokanana ny fiangonana Jesosy Mamonjy izay tarihin’ny pasitera, Rahajanarivomanana Jean Colbert ao amin’ny fokontany Ankadindravola. Efa an-taonany maro no nanaovana ny fiangonana ary efa nandray anjara tamin’izany avokoa ireo pasitera nifandimby. Vita soamantsara ny fotodrafitrasa ankehitriny, izay nandaniana vola 110 tapitrisa Ariary ary mahazaka mpino kristianina an-jatony maro. Ambetin-tenin’ny pasitera avy amin’ny filankevi-pitantanan’ny Foibe izay nanome voninahitra ny lanonana tamin’izany fa tsy manao politika ny fiangonana Jesosy Mamonjy, fa miantsehatra betsaka amin’ny asa sosialy. Nanamafy izany ny pasitera Rahajanarivomanana Jean Colbert, fa mikolo ny maha olona, indrindra ny ara-panahy ny fiangonana, ary mandroso ny tanàna manana olom-banona voakolokolo toy izany.

 

Jean D.

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT