Finoana

Isan-taonan’ny Synodam-Paritany Fisakana Tontosa tao amin’ny FLM Andriankely


  • Alarobia 05 Septambra 2018

Tontosa tao amin’ny fiangonana FLM Andriankely kaominina ambanivohitra Tsarazaza distrikan’i Fandriana, tamin’ny 31 aogositra-alahady 02 septambra 2018 teo, ny Isan-taona faha-26 an’ny Synodam-Paritany Fisakana.

 

  Mpivory nanodidina ny 300 no tonga nanatrika tany ary saika tazana tao avokoa ireo Pastora miasa ao amin’ny SPaFi. Miroborobo ny fitaizana ara-panahy sy fampianarana kristianina ka mbola mahatazona ny fiarahamonina hirindra any amin’iny faritra iny saingy mila tosika sy fanampiana lehibe ireo fotodrafitrasan’ny fiangonana. Nandray anjara mavitrika ny fikambanana Orimbaton’i Madagasikara tarihan’ny filoha nasionaliny, Mahafaly Solonandrasana Olivier, ka nonolotra tafo mitentina 5 tapitrisa Ar ho an’ny FLM Andriankely. Ravo ny fiangonana nandray ny fanampiana ary nanambara fa tsy lavitra Andriana izy ireo fa misy mpijery ary heverina fa valim-bavaka izao fahazoana ny tolotra izao. Nanamafy izany teny fankasitrahana izany ny filohan’ny Synodam-Paritany Fikasana, ny Pastora Alfred Randriamandimbison. Rtoa Dina Rakotomalala, mpitarika ny Orimbaton’i Madagasikara distrikan’i Fandriana dia nilaza ny fisofakan’ny fiaraha-miasan’ny fikambanana amin’ny fiangonana kristianina satria raha te hanova ny bokin’i Madagasikara ho tsara rakitra dia mifanohana amin’ny fiangonana amin’ny asa fitaizam-panahy hananana olom-pirenena vanona no tokony ho vaindohan-draharaha

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT