Isan-taona faha 55 an’ny fiangonana FLMN

Mitohy anio ny fampiofanana ara-kasa ho an’ny Pastora


  • Talata 09 Septambra 2025

Nizotra am-pilaminana ny isan-taona faha 55 an’ny fiangonana

FLMN na Fiangoanana Loteranina malagasy nohavaozina, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Notanterahina tao amin’ny synodam-paritany Vakinankaratra, tao amin’ny FLMN Amboatavo, izany ny 3, 4, 5, 6, 7 septambra 2025. «Kristianina mandroso ho amin’ny lalina sy mahay mihaino fa tsara ny zavatra nataony», io no teny faneva nanorenana ity isan-taona faha 55 ity. Ny boky ao amin’ny Baiboly, ao amin’i Lioka 5: 4b sy ny Marka 7: 37b no nakàna izany. Fiangonana avy amin’ny lafy valon’ny nosy no tonga raha avy any Beloha, Androy sy Toliara no alavitra indridra. Samy nahitàna solontena ihany koa ny avy amin’ny faritra hafa. Ny alarobia no fotoana nahatongavan’ny mpizaika. Ny alakamisy no nisy fampianarana sy lalao ara-panatanjahantena voalohany. Ny zoma no nanohizàna lalao baolina kitra sy fifaninanan-kira nandraisana ireo antoko mpihira ao amin’ny fiangonana. Ny sabotsy dia ny fampianarana narahina fifaninanana tononkalo sy fizaràna loka ho an’ireo mpandray anjara. Ny alahady litorijika narahina fandraisana fanasan’ny Tompo sy fiaraha-misakafo ho an’ireo vahiny nasaina. Ny mpitandrina Solofo Andrianoritsoa, filoha nasionalin’ny fiangonana no nizara ny teny soa ho an’ny vahoaka maro izay tonga tany an-toerana. Teo amin’ny baolina kitra dia ry zareo mpampiantrano na FLMN Amboatavo no nibata ny amboara ary teo amin’ny fifaninanana hira Ba gasy dia ny FLMN Ambohimandroso gara raha toa ka Antananarivo no laharana faharoa. Ny fampiofanana ara-kasa ho an’ny Pastora rehetra dia mitohy anio talata 9 sy alarobia 10 septambra ao amin’ny FLMN Ambohimandroso gara. Manao antso ho an’ny zanaka am-pielezana ny filoha nasionaly mahakasika ny fivoriana ny 27 Septambra izay hatao ao amin’ny FLMN Namontana. Nanolotra 500.000 Ariary sy angovo avy amin’ny masoandro entina hanazavàna ny manodidina sy fanampiana fandraisam-bahiny ny solombavambahoaka voafidy tao Antanifotsy, Rajoelimalala Herihasina Eljo. Niantso tolo-tanana ihany koa ny tenany ho amin’ny fanamboaran-dalana eny amin’ny faritra iadidiany, raha ny fampitàm-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT