Finoana

Irako Andriamahazosoa Ammi Nanome toromarika ny FJKM momba ny fifidianana


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2018

Vita soamantsara ary nifarana omaly alahady 21 oktobra 2018 ny Jobily roa sosona dia ny faha-200 taona nahatongavan'ny Misiona LMS teto Madagasikara sy ny faha-50 taona niorenan’ny FJKM.

 

 

Lohahevitra nentina tamin’ity taon-jobily ity ny tenin’ny Soratra Masina avy ao amin’ny bokin’i Timoty 2:8a manao hoe : “Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika”. Nitarika ny fotoana teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina omaly Rakotonirina Charles, mpitandrina. Nitory ny tenin’Andriamanitra sady nitondra ny hafatra i Irako Andriamahazosoa Ammi, mpitandrina filohan’ny foibe Fjkm. Niantso ny Kristianina mpino Fjkm izy mba ho vavolombelon’ny Tompo tokoa. Tsy maintsy ateraka indray isika, hoy izy, araka ny tenin’ny Soratra Masina. Mila mitondra tena tsara, manao asa tsara ary mampiseho asa mivaingana eo amin’ny fiarahamonina. Maloto i Madagasikara, hoy ny filohan’ny FJKM ka miantso ny olony mba haneho ohatra tsara ka hanadio ny toerana misy azy sy ny manodidina azy. Aoka hifankatia isika ary atomboka ao anatin’ny sahan’ny FJKM izany. Tohizana ary hamafisina ny Tafika Masina manerana ny nosy, ankinina amin’Andriamanitra ny asa rehetra ary tombanana hovitaina amin’ny aprily 2019, hoy ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi ny fananganana Fiangonana FJKM any amin’ireo kaominina 407 tsy mbola nisy izay mihitsy.

Fiainam-pirenena sy fifidianana

Momba ny fiainam-pirenena dia nazava sady nahitsy tsara ny hafatra avy amin’ny mpitandrina Irako. Raha hifidy dia mifidiana olona tsy manan-tsiny, matahotra an’Andriamanitra, hoy izy. Olona sahy sy vonona hanompo ny vahoaka, olona tsy miavona, olona tsy mody mitady ny vatonao kanefa avy eo hampanompo anao ho an’ny tombontsoan’ny tenany sy ny antokony. Mifidiana olona mahavita zavatra, afaka hamadika ho asa ny fandaharanasany. Aza variana amin’ny vola hividianana anao amin’ny fampielezan-kevitra fa ny ho avin’ny firenenao jerena. Olona afaka miasa miaraka amin’ny rehetra fa tsy hanilika ny hafa izay tsy iray fiaviana sy tsy iray antoko aminy. Rehefa hifidy mifidiana olona manana tokantrano vanona miaro ny hasin’ny fianakaviana ka tsy hanome vahana ny fanambadian’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy. Olona afaka manaporofo ny fandresena ny kolikoly fidina. Fa nandritra ny anjara fitenenany kosa  no nanambaran’Atoa Marc Ravalomanana filohan’ny komity nikarakara ny fankalazana ny jobily roa sosona ny fahafaliany noho ny fahavitan’ny andraikitra sy ny fanatanterahana ny asa nankinina taminy sy ireo mpiara-miasa aminy na dia teo ihany aza ny olana isan-karazany. Na nisy ahiahy sy tebiteby dia vita ny tsangambato lehibe roa, hoy izy dia ny trano fianarana ao Toamasina sy trano lehibe fanofanana mpitandrina eny amin’ny kolejy teolojika Ivato. Nisaotra ny filohan’ny FJKM mirahalahy nifandimby izy, ny mpiara-miasa rehetra sy ny mpino FJKM amin’ny ankapobeny. Notolorana mari-pankasitrahana noho ny asa vitany tamin’ny fitantanana ny komity i Marc Ravalomanana ary nankasitrahana avokoa ireo rehetra nifandimby nitantana ny Fjkm. Nitarika ny fitondram-panjakana nanatrika ny fanompoam-pivavahana omaly moa ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao sy ny praiminisitra Ntsay Christian.

 

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT