Finoana

Irako Andriamahazosoa Ammi “Mila miorina amin’ny finoana isika”


  • Alatsinainy 20 Janoary 2020

Tontosa omaly alahady 19 janoary tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe-Antananarivo ny fanompoam-pivavahana lehibe

notarihin’ny filoha sy ny biraon'ny Mpiandraikitra Foibe FJKM ho fitondrana am-bavaka ny taom-piasana 2020 sy ny filohan'ny FJKM sy ny ankohonany ary ny asa fanompoany. Lohahevitra noraisina ny hafatra tao amin’ny  Josoa 4:24 hoe : “Mba ho fantatry ny firenena rehetra fa mahery ny tanan’i Jehovah”. Nikatona daholo, araka izany, ireo fiangonana teto Antananarivo sy ny manodidina fa dia tetsy amin’ny Coliseum avokoa no nifampizara aim-panahy. Ambohipihaonan’ny mpino omaly teny an-toerana na somary ratsy aza ny toetry ny andro. Mandehana amin'ny fitiavana, miorena amin'ny finoana, miasà amin'ny fahazotoana, mifotora amin'ny asan'ny Tompo, mahatsiarova ny mandrakizay,… hoy ny hafatra avy amin’ny filohan’ny FJKM ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi.  Nanomboka omaly ihany koa dia niova ny fitantanana ny FFKM na ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara ka ny filohan’ny FLM ny Pasitora Rakotonirina David no hitantana amin’ity taona 2020 ity, raha ny filohan’ny FJKM no nitantana teo aloha. Ny zoma 24 janoary izao dia hisy ihany koa ny fotoam-pivavahana lehibe hatao eny Anatirova hanasana ny mpino rehetra, izay fanombohana ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny Kolejy teolojika, izay fanofanana mpitandrina eo anivon’ny FJKM.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT