Finoana

Irako Andriamahazosoa Ammi Miantso ny HCC hamoaka ny tena marina


  • Alatsinainy 07 Janoary 2019

Niarahaba sady nirary soa ny vahoaka Malagasy noho ny nahazoana mpamonjy tamin’ny krismasy 2018 sy noho ny taona vaovao 2019, ny filohan’ny mpiandraikitra foibe Fjkm Irako Andriamahazosoa Ammi, mpitandrina.

 

 

 

 Homba antsika mianakavy hamakivaky ity taona ity anie Andriamanitra, hoy izy. Fa niresaka ny toe-draharaham-pirenena ihany koa ny filohan’ny Fjkm ny sabotsy teo ka voalohany indrindra aloha dia nitodika manokana tamin’izy 9 mianadahy mpikambana ao amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Mitodika aminareo ny Malagasy, hoy izy,  mankahery sy mivavaka ho anareo ny Fiangonana. Nampatsiahy izy, araka ny tenin’ny soratra masina fa : “ tsy misy afenina izay tsy haseho, ary aza matahotra izay mamono ny tena kanefa tsy mahay mamono ny fanahy fa aleo matahotra izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ny helo”. Tsy miova ny tenin’Andriamanitra, hoy ny filohan’ny Fjkm fa ny fahamarinana ary ny fahamarinana ihany no manandratra ny firenena. ny voka-pifidianana mifanaraka amin’ny fahamarinana havoakanareo no mahatonga an’i Madagasikara hisandratra ka tsy hahatonga ny vahoaka Malagasy ho in-droa mahita ny maizina, ho fahantrana hanampy fahantrana, hoy izy. Nitondra hafatra ho an’ny vahoaka Malagasy ihany koa ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi ka nampatsiahy fa : “sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andramaniny, azo antoka ny fanasitranana an’i Madagasikara raha henointsika vahoaka kristianina marina ny antson’Andriamanitra manao hoe raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako, ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ka hiala amin’ny ratsy fanaony dia hihaino any an-danitra aho dia hamela ny helony sy hahasitrana ny taniny”. Ny Kristiana nanaiky an’i Jesoa kristy ho tompo sy mpamonjy dia hijoro marina ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao ka tsy hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao fa hiova amin’ny fanavaozana ny saina mba hamantarantsika ny sitrapon’Andriamanitra izay tsara sady ankasitrahana no marina, hoy izy. Antso lehibe ho amin’ny fifohazam-panahy sy ho amin’ny fampanjakana ny marina ity nataon’ny filohan’ny Fjkm ity, andro vitsy mialoha ny hamoahan’ny HCC ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Antso izay efa fanaon’ny Fiangonana ihany mba ho fanairana ny olony sao mibirioka sy diso lalana ka manadino na manova ny fahamarinana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT