Finoana

Irako Andriamahazosoa Ammi “Mahereza fa ny olana misy foana…”


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2018

Nankalazaina tany Toamasina ny 12 hatramin'ny 19 aogositra ny ivon’ny jobily faha-50 taonan'ny FJKM sy ny faha-200 taona nahatongavan'ny LMS (London Missionary Society) teto Madagasikara.

Tao amin'ny kianja David Jones  no nanatanterahana ny fanompoam-pivavahana lehibe mifandraika amin’izany ny sabotsy 18 aogositra lasa teo, daty manan-tantara tokoa ho an’ny FJKM satria ny 18 aogositra 1968 no tafajoro ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara. Nitarika ny fotoana ny filohan’ny mpiandraikitra foibe ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, teo ihany koa ny filohan’ny komitin-jaobily dia Atoa Marc Ravalomanana. Nanatrika ny hetsika tany Toamasina ihany koa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny fianakaviany ary vory lanona tany an-toerana ireo mpino Fjkm avy amin’ny lafivalon’ny nosy. Goavana ny hafatra nampitaina nandritra ity ivon’ny jobily ity ary entin’ny FJKM miaina sy mitory ny tenin’Andriamanitra dia ny hoe : “ Aza menatra mijoro ho vavolombelon’i Jehovah”. Nosintonina avy ao amin’ny epistilin’i Timoty ny toriteny nataon’ny filohan’ny Fjkm nilazana fa “ mahereza fa ny olana misy foana, ny asa fitoriana hataovy foana”. Ilaina ny fiovana sy fanavaozana ny saina mba hahafahana mijoro ho vavolombelona amin’ny Finoana … Tsy maintsy eo ny olana amin’ny tena manokana, ny olana amin’ny fitondram-panjakana, ny olana ao anatin’ny fiangonana saingy tsy atao mahakivy izany fa tsy maintsy mijoro hitory sy hiaina ny tenin’Andriamanitra, hoy ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi. Nisongadina nandritra izao fankalazana izao ihany koa ny fahatongavan'ireo solontena kristianina avy any ivelany, indrindra fa ny avy any Angletera, Pays de Galles, Korea Atsimo, izay manamarika ny maha zava-dehibe ny firaisan'ny Kristianisma manerana izao tontolo izao ary manamafy ny fifamatoran'izy ireo. Nisaotra an'Andriamanitra sy ny komitin'ny fankalazana izao jobily izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary nankasitraka ihany koa an'i Marc Ravalomanana mivady. Nanambara ihany koa izy fa hanome 21 tapitrisa ariary ny fianakaviany ho fandraisana anjara amin'ny famitana ny kolejy teolojika ao Ivato sy fandokoana ny kolejy Thomas Bevan ao Toamasina ary fanamboarana ny tafon'ny tranon'ny Sampana Lehilahy Kristianina ao Foulpointe. Ankoatra izay, ny filoham-pirenena sy ny fianakaviany dia handray an-tanana ny fanontana ny bokin'i David Griffiths : « Ny Tantaran’i Madagasikara »  izay miisa 5.000. Marihina fa nanolotra fanomezana mitentina 450 tapitrisa ariary nentina nananganana ny tsangambaton’ny jobily Atoa Marc Ravalomanana sy Ramatoa vadiny.

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT