Finoana

IPAE Ekiomenisma FFKM Navoaka ofisialy omaly ny andiany Miombona


  • Talata 02 Jolay 2019

Tao anatin’ny fanompoam-pivavahan niraisam-pinoana notanterahina teny amin’ny “Grand Séminaire Ambohipo” omaly alatsinainy 01 jolay 2019 no namoahana ofisialy an’ireo 32

 

 

 

mianadahy  nahitana mpitondra fivavahana samihafa sy laika ihany koa,  avy amin’ny fiangonana 4 tonta mandrafitra ny FFKM nanaraka voalohany ny fampianarana “Systeme LMD” ao amin’ny IPAE “Ivontoeram-Piofanana Ambony momba ny Ekiomenisma FFKM. 3 taona no naharetan’ity andiany voalohany nivoaka tao amin’ny IPAE ity ka nisalotra ny diplaoman’ny “Licence en etude en oecuménisme”. Ny andraikitra isanisany efa notanan’izy ireo tany amin’ny fiangonana nisy azy avy no ezahan’izy 32 mianadahy  hampitana ny resaka Eikomenisma notorantoviny tao anatin’ny fiofanana narahiny.  Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ary nizara ireo diplaoman’ireo mpiofana teny amin’ny Grand Séminaire Ambohipo omaly ireo raiamandreny 3 mirahalahy mitarika ny FFKM (EKAR, EEM ary FJKM izay filoha am-perinasa ankehitriny) niaraka tamin’ny pasitera Ramino Paul, ray mpiahy ny andiany Miombona. Nisy fanapahana mofomamy niarahana nifampizara ny mamy tany amin’ny farany  nefa nampitan’ny pasitera  Ami Andriamahazosoa ihany koa fa tsy dia ho mamy foana akory no hogohana ao anatin’ity iraka ity fa tsy maintsy hifangaro ao koa ny mangidy isan-tsokajiny. Kihon-dalana hampivoatra ny Ekiomenisma FFKM efa novolavolaina hatramin’ny 40  taona lasa izay, hoy izy,  ny fitsanganan’ny IPAE.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT