Finoana

HPM “Tsy maintsy tanterahana ny fampihavanam-pirenena !”


  • Alatsinainy 30 Mey 2011

Tsy azo ihodivirana ny fampihavanam-pirenena, araka ny hevitry ny Hery Politika Mitambatra (HPM), elatra nisintaka tamin’ny Profesora Zafy Albert.

 Misy ny lonilony nateraky ny tsy fitovian-kevitra ara-politika izay mbola iainana hatramin’izao, hoy ny profesora Ralison Roger. “Atao ny fampihavanam-pirenena saingy tsy midika akory izany fa avela hanjaka ny tsimatimanota. Tsaraina izay voarohirohy ka asaina manonitra izay meloka avy eo, izany hoe ny fampihavanam-pirenena nataon’ny firenena Afrikanina Tatsimo no alaina tahaka”. Nohamafisiny koa anefa fa tsy tokony hianona amin’ny resaka politika ihany izany fa ilaina fifamelana ny disadisa ara-tsaranga, ara-piaviana ary ara-poko nanomboka tamin’ny vanimpotoan’ny faha Mpanjaka sy notohizan’ny mpanjanatany. Ho an’ny HPM dia ny Komity fampihavanam-pirenena no misahana io fampihavanana io ary atomboka dieny izao izany.

Tsy vita vetivety akory izany fa ilaina fotoana lava hamafana ny alahelo isan-karazany naterak’ireo toe-draharaha niainan’ny firenena ireo. Momba ny fihaonana any Gaborone indray dia nanambara ity mpandrindra nasionalin’ny HPM ity fa tokony ho teto Madagasikara no hanatontosana io fihaonana io. Azo atao tsara ny manatanteraka azy tany Nosy Be Hell-ville, ohatra, raha misy olana ny fahatongavan’ireo filoha roa lahy sesitany eto an-drenivohitra. Na izany aza dia miangavy ireo mpandray anjara amin’ilay fihaonana any Gaborone koa ny tenany mba hampandefitra ny hambom-po sy ny kajikajy politika ka hitondra vahaolana.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT