Finoana

Hopitaly Befelatanana Zazalahy kely avokoa ny ankamaroan’ireo teraka tao omaly


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Zazalahy kely iray antsoina hoe : Randriamampionona Zo Christiano no teraka tamin’ny 11 ora sy sasany alina saika nitovy tamin’ny daty nahaterahan’ny Mpamonjy tetsy amin’ny hôpitaly Befelatanana ny alin’ny 24 Desambra lasa teo.

 

 

 

 

 

Mbola zazalahy kely roa  ihany no  teraka taoriany taorian’izany raha telo hafa no mbola nandrasana nanomboka omaly maraina tamin’ny 08 ora. Raha araka ny fanazavan-dRasazy Avotra anisan’ireo niasa alina tao amin’ity hôpitaly iray ity dia teraka soa aman-tsara avokoa ireo zaza telo ireo. Tsy nisy nodidiana ny Reniny na dia iray aza raha iray hafa kosa no maty tany am-bohoka. Nihena ny isan’ireo mpiteraka nandalo tao amin’ity hôpitalim-panjakana iray ity raha oharina tamin’ny fetin’ny Krismasy tamin’ny taon-dasa. Ny 23 desambra lasa teo izany no betsaka raha araka ny fanadihadiana natao hatrany satria dia nahatratra hatrany amin’ny 21 isa. Na izany aza anefa dia rasazy miisa dimy izy ireo no nandray an-tanana izany ka ny roa no tena tompon-toerana niampy  olon-kafa roa.  Anisan’ny noraisin’izy ireo an-tanana ny Renin’i Bryan kely zazalahy, teraka omaly maraina tamin’ny 05 ora maraina. Tena tsy nampoizina ho omaly fetin’ny Krismasy ity zaza ity no teraka raha araka ny fanazavan-dReniny satria dia lasa aloha kely foana tamin’ny fotoana voatondro izany. Na izany dia tena faly tanteraka izy ireo satria sady nanao fety no nahazo zazakely 


Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT