Finoana

Ho an’i Kristy Hetsika natao hamondronana ny Kristianina rehetra


  • Zoma 06 Desambra 2019

Notanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina haharitra efatra andro ilay hetsika hamondronana ireo Kristianina rehetra misehatra amin’ny ara-barotra….

 

 

Tranoheva miisa 150 no mandray anjara amin’izany mivarotra sy mampiranty ireo karazana kojakoja ilaina mandritra ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. Ankoatra ny akanjo sy ny kiraro ary ny kilalao dia hita ao an-toerana ihany koa ny Baiboly… Hampiavaka ny hetsika anio zoma ny fisian’ny fampisehoana iarahana amin’i Rojo Ny Avo sy ny tarika TDL natao hanitarana ny ambaindain’ny fitoriana ny filazantsara. Hitohy amin’ny fiaraha-misakafo hanasana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fiangonana maro isan-tsokajiny izany rahampitso sabotsy. Tsiahivina moa fa tsy misy vidim-pidirana ny hetsika. Na izany aza misy ny tombola hahafahana mandray anjara mety hahazoana tapakila hahafahana miala sasatra any Nosy-be miainga eto Antananarivo.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT