Finoana

HMF Miomana hanao hetsika lehibe ato ho ato


  • Alarobia 14 Jolay 2010

Tsy nangina fa nivavaka ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF). Tsy azo atao, hoy ireo raiamandreny ara-panahy ny mangina sy mijery fotsiny manoloana ny zava-misy ankehitriny izay hita fa tena sahirana tokoa ny firenena. Noho izany dia hotohizana ny hetsika fa tsy hipetra-potsiny.

Tsy ny mpitondra fivavahana irery intsony no ao anatin’ny HMF fa eo koa ireo kristianina tsotra avy amina finoana samihafa, toy ny Katolika, ny FPVM, ny Advantista, ny Loterana, ny Anglikanina sy ny hafa. Hitory ny fahamarinana hanandratana ny firenena no tanjona ka dia mipetraka ho HMF hatrany ny anaran’ny hetsika saingy lasa hoe : “Hetsika Mpitory ny Fahamarinana”. Resy lahatra izahay, hoy ny HMF fa ny hametraka ny fahamarinana eto amin’ny firenena no iraka nampanaovina azy ireo. Sarotra ny hametraka ny fahamarinan’izany, hoy izy ireo kanefa moa dia nandroso vahaolana ny HMF. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fiombonam-bavaka. Ekena ny vahaolana eo amin’ny samy Malagasy fa tsy ny ampahany amin’ny Malagasy, hoy ihany ny HMF. Araka izany, dia tsy tokony hisy fanilikilihana, tsy ireo Raiamandreny Mijoro ihany no Raiamandreny afaka sy tokony hijoro, araka ny fanazavan’izy ireo. Mitaky ny famoahana ireo Raiamandreny any am-ponja ny HMF, tokony hapetraka koa ny fepetra hisiana fahatoniana ao anatin’ny fitadiavam-bahaolana ka hatsahatra ny fifandranitana sy ny fifampihantsiana, na amin’ny gazety na ireo haino aman-jery.

Takian’izy ireo koa ny fanokafana ny Radio Fahazavana, ary tokony hajanona hatreo ny fandrahonana amin’ireo mpampita vaovao. Tetsy andanin’izany, dia nambaran’ireo Hetsika Mpitory ny Fahamarinana fa voatery miafina noho ny fanenjehana tsy misy farany ataon’ny FAT ireo mpitondra fivavahana valo mirahalahy miaraka amin’ny ankohonany. “Fitandroana ny ain’izy ireo no anton’izany”, hoy ny HMF satria “efa voaporofo tamin’ny namonoana ny pastera Rivo sy Dada Seta izay samy ao anatin’ny HMF, ny fandratrana ny pastera Valisoa fa ilaina ny mitandro ny an’izy ireo”. Manoloana izany indrindra dia manao antso avo amin’izao tontolo izao ny HMF hampitsahatra ny fanenjehana. Adidin’ny Kristianina ny mijoro amin’ny Fahamarinana, hoy ny HMF. Fantatra moa fa dia hanao hetsika lehibe ny HMF ato ho ato, Tsy mbola nambara moa ny daty mazava ho amin’izany. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT