Nahita masoandro ny andiany ANTEMA, vokatra voalohany eto Antananarivo tamin`ny fampianarana mihira ny Cours de Chant Hery Andriatahina (CCHA).
Mpianatra nahavita fianarana feo miisa 18 no nanatanteraka kaonseritra omaly tetsy amin`ny efitrano malalaky ny CAFETERIA ESCA Antanimena izay mitondra ny lohateny hoe “SANDRAM-PEO 3” nentin`izy ireo nanehoana ny fahaizana norantovin`izy ireo. Naneho fankasitrahana feno ny mpampianatr`izy ireo nandritra ny lahateniny, noho ny faniriana hahay sy hifehy hira, indrindra nanaiky natoro sy nahitsy. Anisan`ny fampianarana natao ny fitazonana feo, indrindra rehefa hira fiderana. Ny karazana feo ampiasaina mantsy dia tokony hilanto, hanambitamby, halefadefaka, hilamindamina satria ny hira masina dia toy ny vavaka ka tsy tokony hivazavaza sy hitrevatreva, hoy hatrany ny fanazavana. Marihina fa ity andiany ANTEMA ity dia nahitana sokajin-taona maro samihafa ka 13 taona no zandriny indrindra ary 60 taona no zokiny. Tsara ny manamarika fa Ambohimandroso sy Ambatolampy no nisantatra izany fampianarana hira notanterahin`ny sekoly CCHA izany. Ny 14 oktobra ho avy izao ity tarika indray mihira ity no hamoaka rakikira “Best-Off” izay hindramany sangan`asan`ny hafa mba entina hiderana an`Andriamanitra amin`ny alalan`ny mozika sy ny hira.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.