HIAKA FIDERANA 2

Fahombiazana tanteraka, feno hipoka ny Palais des Sports Mahamasina


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

indrindra avy any amin'izy ireo, nahatsiaro ho nahavita adidy ny mpikarakara. Niavaka raha samy hetsika fitoriana ny filazan-tsara an-kira ny Hiaka Fiderana andiany faharoa nokarakarain'ny Sampana Tanora Kristiana (STK) foibe eo anivon'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) izay tontosa teny amin'ny lapan'ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina omaly alahady tolakandro. Anisan'ny nanafana ny seho omaly i, Rija Ramanantoanina, Antsan'i Kristy, Nanie, Luc ary Gasy tsara midera. Na tao amin'ny fanompoam-pivavahana sy toriteny mialoha ny fotoana na nandritra ny fampisehoana dia nezahana novelarina sy nazavaina mba hiraikitra am-pon'ny rehetra izay mandre ny lohahevitra nosintoninana avy ao amin'ny I Tim 4; 12 be manao hoe :" aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao". Tsara ho marihina fa maimaimpoana ny fampisehoana izay notohanana mpiara-miasa sy mpiara-miombon'antoka maro toa ny ONET Group International, Kolo TV, Dreamin, IB-C, Real Tv, Production Miritsoka.

Nangonin'i RTT Nangonin'i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT