Finoana

Hevitry ny olona


  • Alakamisy 22 Aprily 2010

Ny 28 aprily ho avy izao no fantatra fa hihazo an’i Afrika Atsimo ireo lehibena ankolafy efatra : Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina. Samy manana ny fahitany izany ny olom-pirenena tsirairay, ary samy manana ny heviny koa ny amin’izay mety ho vahaolana amin’izao krizy lavareny izao.

Rasoanantenaina : Efa nisy fihaonana marobe niteraka ireny hoe fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba ireny izay efa vita sonia. Tonga anefa ny fotoana, tsy nisy na zavatra iray aza tanteraka. Inona no antoka ahafahako matoky hoe izay zavatra mivoaka aorian’io dia hamoaka antsika amin’ny krizy fa tsy toy ny teo ihany no hiverina. Amiko ny vahaolana dia tsy misy afa tsy ny fampiasana hery. 

Tiana : Tsy manantena na inona na inona aho. Ny teo ihany no miverina, ny zavatra nosoniaviny aza tsy nataony. Amiko dia mety ho vahaolana ny fitondra-miaramila kanefa ny olana dia izaho tsy matoky miaramila, ny mpitondra ankehitriny koa tsy tiako. Raha sivily kosa no hitondra eo dia olona tena tsy momba ny atsy na ny aroa no tokony hisahana izay ho tetezamita eo.
 
Ialy : Ny andrasako dia ny hoe tsy hiverina eto intsony i TGV. Hisy miaramila hikomy dia tsy tafiditra eto intsony izy. Raha tsy afaka miverina eto an-tanindrazana ireo filoha roalahy dia Ravalomanana sy Ratsiraka dia aleo  koa Rajoelina tsy hiditra eto. Hany vahaolana dia heveriko fa tsara raha mametra-pialana i Andry Rajoelina, hiroso amin’ny fifidianana isika avy eo, fifidianana manaraka ny fenitra ary eken’ny rehetra ny fikarakarana sy ny vokany avy eo.
 
Andry : Antenaiko amin’io fihaonana any Afrika Atsimo io ny mba handresen’ny fahamarinana, ary dia mba ho andro hifaranan’ny ady politika eto. Raha ny vahaolana indray amiko dia tena mila miverina eto i Marc Ravalomanana.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT