Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, indrindra ny herisetra nitranga ny alakamisy 20 mey lasa teo, dia miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ireo misahana ny fiarovana ny zon’olombelona sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF), “hanery ny fitondrana tsy ara-dalàna izao, mba hampitsahatra avy hatrany ny herisetra, ny fandrahonana, ny fampisamborana, ary ny famotsorana ireo gadra politika rehetra sy ny pasitera Valisoa Rafanorenantsoa”. Helohin’ny HMF tanteraka ny herisetra atao amin’ny vahoaka Malagasy, indrindra amin’ireo mpitondra fivavahana. “Raha izahay nikasa ny hanao fanompoam-pivavahana ankalamanjana, tamin’iny alakamisy iny dia notifirin’ireo miaramila notarihan’ny kolonely Ravalomanana Richard ny vahoaka”, hoy ihany ny fanambarana. “Anisan’ireo voatifitra ny mpitandrina iray namanay”, hoy ny Hmf.
“Nisy mpitandrina hafa koa niharan’ny herisetra, ny hafa nalaim-baraka, ny hafa nosamborina ka nogadraina”. Voalaza ao anatin’ilay fanambarana moa fa «tsy salama ny pasitera Valisoa kanefa tsy mahazo fitsaboana araka ny tokony ho izy akory hatramin’ny nitazonana azy ny zoma lasa teo”. Hita, hoy ireto mpitondra fivavahana ao amin’ny HMF ireto fa dia «nohitsakitsahina tokoa ny zo mahaolona». «Valo izahay no mbola kasaina hosamborina, hatao haza lambo», araka ny fanazavana ihany, ary dia «manahy ny amin’ny hoavin’ny fianakavianay sy ny fiangonanay izahay», hoy ihany ny HMF. Tamin’ny fiteny anglisy moa no nanaovan’ireo raimandreny am-panahy ny antso avony tamin’ity indray mitoraka ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.