Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana

“Tsy natao hanohana olona fa mampanaja lalàna ny miaramila”


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Naneho ny heviny tao anatin’ny tambajotran-tserasera mikasika ilay fanambarana nataon’ireo Lehibe mitazona ny

fibaoikoana eo anivon’ny mpitandro filaminana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny faran’ny herinandro teo. “Tsy mety ny mangina raha tataovan-drahona ny firenena. Ny miaramila dia tsy natao hanohana olona na iza na iza ary mampanaja ny lalàna no adidiny, tsy natao hanao fanambarana politika hanohanana olona na iza na iza. Aleo ny fitsarana hanao ny asany fa eo ambany lalàna avokoa ny olom-pirenena rehetra, indrindra ny mpitandro filaminana fa izany no atao hoe firenena tan-dalàna”, hoy ny fanehoan-kevitra. Naneho fa ny lalàmpanorenana dia manaja ny lalàna ary anjaran ireo rafi-pitsarana sy mpitsara mahefa isan- tokony no mampanaja azy fa tsy anjaran nty tafika na oviana na oviana .Ny ady hevitra momba ny lalàna sy ny fampiharana azy dia azo hatao saingy “dura lex sed lex” fa izany no firenena vanona, hoy hatrany io fanehoan-kevitra io. Efa betsaka, hoy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny fahadisoana niseho teto amin ny firenena ary anisan ny anton’izao fahantrana lalina izao, koa ny fahendrena dia ny mangina ary raha tsotsa ny vahoaka dia ny mpiaro azy no anjaran’ny tafika fa tsy ny miaro mpanao politika na iza na iza, fa izany no maha aron’ny vozona azy. Ho an ny firenena iombonantsika. “Tsy hangina aho noho ny amin i Ziona,... mandra-piposaky ny fahamarinany”, araka ny teny noraisina tao amin’ny baiboly no nentina namaranana io fanehoan-kevitra io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT