Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana «Tsy miova fa Ambohijatovo»


  • Alakamisy 11 Martsa 2010

« (…) Heveriko fa raha tsy mety intsony ny mivavaka any am-piangonana dia tsara amin’izy ireny no hakatona, ka ifanarahantsika indray fa dia eny an-kalamanjana no hanaovana ny fanompoam-pivavahana rehetra (…) ».

Santionany amin’ny valin-teny nataon’ny Prefen’Antananarivo ho setrin’ny fangatahana ny kianjan’Ambohijatovo nataon’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) io. Araka izany dia mandrangaranga fanakatonana fiangonana ny Fanjakana mahefa. Tsy azo atao eto an-drenivohitra koa izany manomboka izao ny mivavaka eny an-kalamanjana raha ny votoatin’ilay taratasin’ny Préfet, soniavin’i Andrianjafinaivo Edouard, admnistratera sivily. Raha tsiahivina anefa dia ny tamin’ny septambra 2009 dia efa nisy taratasy navoaka nilazana fa fotoam-pivavahana sy hetsika ara-kolontsaina no azo atao amin’io kianja Ambohijatovo io. Manoloana izao fanakanana izao dia mazava ny hevitry ny HMF fa dia tsy hihemotra na inon-kidona na inon-kihatra. Araka ny fanazavan’ireo raiamandreny am-panahy dia eny Ambohijatovo ny fanompoam-pivavahana hatao ny sabotsy ho avy izao. Hanasany ireo filohan’ny FFKM moa io amin’ny sabotsy io.

«Fanompana ny fiangonana, famakiana ady amin’ny fiangonana sy amin’Andriamanitra izao», araka ny fanazavany. Tsy fiangonana ny HMF, araka ny fanazavana ihany ary tsy izy no nisantatra ny fivavahana an-kalamanjana. «Filam-baniny, finiavana mila antsojay, fanapotehana sy tsy famelana ny olona hizaka ny zo hivavaka mihtsy izao fihetsika izao. Ankoatra izany dia tahotra io taratasy io, tahotra ny demokrasia ary fanapenam-bava koa», araka ny fahitan’ny HMF azy. Tsy vao izao moa ny HMF no nanao hetsika ara-pivavahana toy io hatao amin’ny sabotsy ho avy izao io. Montsana ny zava-bita teto Madagasikara, hoy ny HMF satria teo amin’ny tantaran’i Madagasikara dia tsy mbola nisy izany fandrarana hivavaka an-kalamanjana izany raha tsy tany amin’ny andron’ny faha-mpanjaka. Ankoatra ny amin’ny sabotsy dia manentana ireo mangetaheta fahamarinana ihany koa ny HMF anio hisalotra akanjo fotsy na koa hitondra famantarana fotsy. Anio maraina amin’ny 7 ora moa dia hisy ny fitrotroana am-bavaka ny firenena etsy amin’ny FJKM Ambatomena. Henjakenjana izany ny tady eo amin’ny prefet sy ny Mpitondra fivavahana.

 Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT