Na dia teo aza ireo resabe sy fandrahonana tamin’ny endriny samy hafa ary ny fanilikilihana dia fahombiazana no ilazana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) ny sabotsy 13 martsa lasa teo. Hipoka olona ny kianjaben’Antsonjombe.
Raha ny tombana dia avo roa heny noho ny tamin’ny hetsika faha-4 ny fahavitrihan’ny olona nijoro ho amin’ny Fahamarinana tonga teny Antsonjombe ny faran’ny herinandro teo. Nangorom-potsy Antsonjombe, araka izany. Nivavaka tsy tamim-pihambahambana ireo vahoaka. Tsy nahitana miaramila niambina koa moa teny an-toerana, tahaka izay fahita hatramin’izay, fa nandalo sy niserana ihany izy ireo. “Politikan’ny Fahamarinana no ijoroanay ka tsy hijanona, tsy hihemotra ary tsy hangina, izahay”, hoy ireo mpitondra fivavahana izay mbola manainga ny rehetra “mba hanaja ny Fahamarinana sy hamerina izany ho soatoavina, hampitsahatra ny lainga, ny fitaka ary ny lolopo, ny fihatsaram-belatsihy, ny fialonana, ny fanaratsiana rehetra”.
Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ireo, araka ny fanazavana, ka mahatonga ny loza rehetra eto amin’ny firenena ka fotoana hibebahana izao karemy izao. Nahatsiaro manokana ireo traboina tamin’ny fandalovan’ny rivodoza “Hubert” ny HMF ka nanolotra ny ampahany tamin’ny rakitra ho azy ireo. Tetsy an-danin’izany koa dia nanentana ireo vahoaka ireto raiamandreny am-panahy mba hijoro ka hanohitra amin’ny hery rehetra ny tsy fahamarinana izay miseho amin’ny endriny rehetra eto amin’ny firenena. Santionany amin’izany, raha ny fanambarana ny famafazana lainga amin’ny haino aman-jery sy ny gazety, ny halatra sy ny fanaparam-pahefana ataona miaramila na sivily, na koa ny herisetra, ny fisiana olona tsy tan-dalàna na koa ambonin’ny lalàna. “Izahay Mpitondra fivavahana dia tena miaiky volana, eo anatrehan’Andriamanitra fa tena tsy misy fahafahana eto ary niharan’izany izahay. Diso fanantenana sy malahelo tanteraka manoloana ny olona mikipy manoloana ireo olo-mahantra marobe sy ireo hirotsaka tsy fidiny ho anisan’ny olo-mahantra”, hoy ihany ny HMF tamin’ny fanambarany. Tsy hijanona na hiato akory ny hetsika fa hikendry ny avoavo kokoa hatrany. Haka fanapahan-kevitra hentitra, hendry ary mendrika ireo mpitondra fivavahana ato ho ato. “Efa manomana zavatra hafa izahay”, hoy ihany ny HMF. Efa ela loatra ny krizy izay ka mampijaly ny vahoaka.
Nanasan’ny HMF ireo sokajy sy firehan-kevitra isan-karazany moa ny hetsika tamin’ny sabotsy teo. Anisan’ny nanoina ny antso ny FFKM nahitana ny filohan’ny FJKM, Rasendrahasina Lala, mpitandrina. Tazana teny koa ny fivondronan’ireo mpino katolika izay tena nanohana tokoa ny HMF, raha ny fanazavana. Tonga teny koa ireo ankolafy telo, ny ankolafy Ravalomanana notarihan’ny filoha nasionalin’ny MFM Manandafy Rakotonirina, ny ankolafy Zafy nahitana an-dRtoa Thérèse Zafy, Lalatiana Ravololomanana, ny solontenan’ny ankolafy Ratsiraka toa an-dry Ndremanjary Jean André. Araka izany dia ambohipihaonan’ny rehetra mitady ny hiverenan’ny Fahamarinana Antsonjombe ny sabotsy lasa teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.