Maizina ny firenena, mijaly ny vahoaka, hoy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) nandritra ny fanompoam-pivavahana omaly teny amin’ny Fjkm Ambohimanandray Filadelfia, nokarakarainy hampaherezana ny mpitandrina Randriamisata Roger sy nitrotroana am-bavaka ny firenena ihany koa.
Tsy mbola nisy mpitondra sahy nanao toy izao, hoy ny HMF. Na dia ireo mpanjanatany fahiny aza, hoy izy ireo tsy mbola nanafina ny asa ratsiny. Manomboka any amin’ny fanenjehana sy ny fampihorohoroana, ny fakana ny fananan’ny fiangonana ny fampiasan-kery, ny fanosihosena ny zon’olombelona, ny fampiasan-kery sy ny maro hafa tsy voatanisa. Fito karazana ny fitakiana ala nenina nataon’ireto raiamandreny am-panahy, dia ny fampitsaharana tsy misy fepetra ny ny fampihorohoroana, ny fisamborana ny HMF sy ny vahoakan’Andriamanitra te hametraka ny fahamarinana, ny hamelana ny olona haneho hevitra an-kalalahana, ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro ny filaminana amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ny fampitsaharana ireo antsojay atao amin’ny fiangonana izay tsy mitovy hevitra, ny fampitsaharana avy hatrany ny krizy ato anatin’ny fotoana fohy ary ny fisian’ny fifampiresahana, ny fampihavanana haingana hitondra amin’ny fifamelan-keloka eo amin’ny samy Malagasy. “Raha misy na dia iray amin’ireo aza tsy tanteraka dia tsy hanaiky lembenana ny HMF.
Vonona izahay hitarika, handroso, handray andraikitra feno amin’ny fomba rehetra”, hoy ny mpitondra teniny, ny mpitandrina Ramamonjisoa Philibert. Omaly moa no nampanantsoin’ny zandary teny Ankadilalana ny mpitandrina Randriamisata Roger. Nialohan’ny nahatongavany teny dia ireo namany ao amin’ny HMF no nialoha lalana, nifampidinika tamin’ny lehiben’ny Emmo-Reg, ny kolonely Ravalomanana Richard, fihaonanna izay naharitra ora roa teo. Toarian’izay voa niditra ny mpitandrina Randriamisata Roger. Ny tapany voalohany tamin’ny fanadihadiana no vita omaly fa mbola hitohy anio izany, araka ny vaovao. Raha ny fantatra dia nisy ny fifampidinihana teo amin’ny HMF sy ireo mpitandro ny filaminana, notarihin’ny kolonely Ravalomanana Richard. Anisan’izany ny fiaraha-miasa nangatahana ary nifanarahana ny fitadiavana ireo fitaovan’ny zandary very teny Ambohimamory sy ny fifamelan-keloka teo amin’ny sampana tanora kristianina sy ireo zandary naratra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.