Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana “Tsy avy amin’Andriamanitra io fitondrana io”


  • Zoma 07 Mey 2010

“Firasankina, tsy miditra politika” no antso ataon’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) amin’ny foloalindahy sy ny fitsarana malagasy. Eken’ny HMF ny antson’ny hery vonjitaitra eo anivon’ny zandary na FIGN satria heverin’ireto mpitondra fivavahana fa any an-dakazerina no hany hampiverina indray ny fiombonana eo amin’ireo foloalindahy.

Tokony hatsahatra ihany koa ny fidiran’ny foloalindahy amina toerana politika. Mifampiankina ny firaisankina sy ny tsy fitsabahana amin’ny politika, araka ny fanazavana ihany. Ankoatra ireo dia manao antso avo amin’ny hery velona rehetra ny HMF hamondrona ny hery. Tsy avy amin’Andriamanitra io fitondrana io, hoy ireto mpitondra fivavahana. Ny zavatra rehetra ataony manko, araka ny fanazavana, dia mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ohatra notsongain’ireto raiamandreny am-panahy moa ny tsy fisian’ny fahalalahana, kanefa ny Andriamanitra dia manome fahafahana ny olona, eo koa ny halatra, ny fanimban-javatra, ny lainga ary indrindra indrindra izy ireo manenjika ny fiangonana. Izany hoe Andriamanitra mihitsy no henjehin’izy ireo, araka ny fahitan’ny HMF azy ihany. Manoloana izany indrindra àry dia zavatra 3 no tsy maintsy lalovana mialoha ny hidiran’i Madagasikara amin’izany repoblika faha-4 izany, araka ny fahitan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Eo aloha ny Fahamarinana, ny Fifamelana ary ny Fihavanana. Ao anatin’ny fametrahana ireo dingana ireo moa no nanaovan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana fotoam-bavaka am-polony, an-trano sy an-kalamanjana nanomboka ny volana desambra 2009 ka hatramin’izao.

Tao anatin’izay dimy volana izay dia tratry ny fanenjehana sy ny antsojay koa ireo raimandreny am-panahy. Tsy nahakivy azy ireo anefa izany fa niroso hatrany ary dia mbola vonona ny hijoro hatramin’ny farany. Omaly moa dia nisy ny fotoam-pivavahana ho fanomanana ny hetsika ankalamanjana faha-7, hatao eny Antsonjombe rahampitso sabotsy. Raha nandaha-teny moa ny mpitandrina Roger Randriamisata teny amin’ny FJKM Ambohimanandray dia nilaza fa mila olona mahery, tsy kanosa, tsy kely hery ny firenena. Betsaka anefa ny olona tsy mety mijoro rehefa tokony hijoro, fa mitsikombakomba amin’ny ratsy. Izany no mbola mampandeha ny raharaha ankehitriny ka hireharehan’ireo mpitondra FAT, hoy ny HMF. “Ela niandrasana anareo anay, izahay HMF koa dia miandry anareo vahoaka”, hoy ihany ity mpitandrina. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT