Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana : Nihaona tamin’i Andry Rajoelina


  • Alarobia 03 Martsa 2010

Miezaka mihaona amin’ireo ankolafin-kery rehetra ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF). Raha ny fantatra aloha hatreto, dia efa saika nihaona tamin’ireo raiamandreny am-panahy avokoa na ireo masoivoho vahiny toa an’i Frantsa sy Etazonia, hatramin’ny Groupe International de Contact, notarihan’i Jean Ping, teo koa ireo firehana politika sy fiarahamonim-pirenena.

Fantatra ihany koa fa omaly tolakandro dia nisy ny fihaonana teo amin’ireto mpitondra fivavahana sy ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, tao Ambotsirohitra. Ora maromaro no naharetan’izany dinika izany. Tsy nisy nipika anefa ny resaka tao fa ny azo inoana dia anisan’ny noresahana ary vontoatin’ny fifanatonana teo amin’ireo raimandreny sy ny zanaka ny raharaham-pirenena. Inoana ihany koa fa noresahana tao ny momba ny fanenjehana ny Fiangonana sy ny mpitondra fivavahana izay miseho lany ankehitriny, ny fahitan’ny HMF ny fihetsik’ireo manana ny fahefana ankehitriny, ny lalana heverin’ireto raiamandreny fa tokony hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao. Ny HMF moa dia nanentana ny rehetra amin’izao dingan’ny hetsika izao, ny tokony hijoroan’ny olo-marina rehetra.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT