“Tsy misy fiainana hanjary raha tsy misy famelan-keloka. Ao amin’izany famelan-keloka izany no hisy ny fitahiana. Ny fiziriziriana tsy hifamela heloka dia fampaharetana ny fanjakan’ny aizina, loza mihantona ho an’ny tena sy ny taranaka, fandavana an’Andriamanitra ary dia miandry azy ny fahatezeran’Andriamanitra”. Ampahany tamin’ny fanazavan-kevitra sy posa-kevitra momba ny “Fifamelan-keloka sy ny fampihavanana” nokarakarain’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) tetsy Ampandrana ny sabotsy 14 mey teo ireo. Saika nahitana ireo solontena avy amin’ireo firohotana samihafa ity posa-kevitra ity, ireo avy amin’ny rafi-panjakana isan-tokony afa tsy ny avy amin’ireo sehatra stratejika, toy ny foloalindahy izay tsy nasain’ny HMF. Ankoatra ny famelabelarana ny lohahevitra araka ny baiboly dia nisy ihany koa fanazavan-kevitra momba ny fanafoanan-keloka na ny aministia nataon’ny Me Rahetilah Jaonah.
Nambaran’ity mpahay lalàna ity fa tsy maintsy ny parlemanta, ireo mpanao lalàna no manome ny amnistia ary dia fahadisoan-kevitra, tsy manara-dalàna raha toa ka ny fahefana mpanatanteraka no hanome izany amnistia izany. Tratra ny tanjona, hoy ny mpitandrina Roger Andriamisata. Tsy adihevitra no natao, araka ny fanazavana ihany fa posa-kevitra ka izay hevitra hivoaka dia hangonina tsy hisy fanovana, adika amin’ny tenim-pirenena vahiny roa, frantsay sy anglisy ihany koa ka omena ireo ankolafy isan-tsokajiny, ny FFKM, ireo masoivoho monina sy miasa eto Madagasikara sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Na inona na inona fifanarahana politika, dia tsy maintsy ilaina ny fifamelana sy ny fampihavanana. Izahay mpitondra fivavahana dia afaka mitarika izany, hoy ihany ny mpitandrina Randriamisata. Nambarany koa fa tsy maintsy hisy ny dingana manaraka fa ny fotoana hanatanterahana izany no tsy fantatra. Ny hany fantatra dia fotoam-pivavahana hatao eny Antsahamanitra ny 20 mey ho avy izao.
Nilaza moa ny Hmf fa efa nandefa ny fangatahany teny anivon’ny prefektiora momba io fanompoam-pivavahana lehibe io. Raha tsiahivina dia daty manan-danja ho an’ny HMF ihany koa ny 20 mey, tsaroana etoana ny raharaha FIGN namoizana aina mpitandrina iray sy olon-tsotra telo hafa. Ampy izay ny 50 taona sy ireo zavatra rehetra niseho, hoy ihany ny HMF, hahatonga ny Malagasy ho vory saina, hahatsapa tokoa ny maha olom-pirenena azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.