Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana : Nadika karatra ireo mpitarika, fa izay no baiko


  • Alakamisy 25 Martsa 2010

Sambany no nivoaka ny renivohitra ireo mpitondra fivavahana mivondrona ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana omaly.

Nosantarina tany Moramanga, tao amin’ny FJKM Karmela Tsaramandroso ny fivoahan’ny hetsika any amin’ny faritra. Fotoam-bavaka lehibe no nanasan’ny sinodam-paritany Atsinanana ny HMF amin’io omaly io izay natomboka tamin’ny telo ora tolakandro. Nizotra araka izay niheverana azy iny hetsika faha-6 nataon’ny HMF iny saingy rehefa hody hiverina aty an-drenivohitra ireo mpitondra fivavahana no sendra antsojay. Nosavain’ny Zandary tao Antsirinala, tanàna 1 km mialoha ny hidirana an’i Moramanga raha avy aty Antananarivo, ary notazonina ny kara-panondron’izy ireo. Naharitraritra ihany ny nihazonana azy ireo noho izany. Nanoloana izany dia naneho ny hagagany ireo raiamandreny am-panahy. Manao antso avo amin’ny kristianina rehetra koa ny HMF mba hivavaka bebe sy mafimafy kokoa. Antso avo koa no ataon’izy ireo mba hampitsaharana ny fomba ratsy, tsy mendrika toy ny fanohintohinana ny fahalalahana. Ho fanamarihana ny 29 martsa dia manentana ny rehetra, ireo liana amin’ny fahamarinana koa izy ireo hisalotra akanjo fotsy ny alatsinainy ho avy izao. 

Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT