Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Mitaky ny hanokafana ny Radio Fahazavana


  • Alatsinainy 05 Martsa 2012

“Anterinay ny fitakianay ny hanokafana ny Radio Fahazavana, izay Radion’ny Fiangonana. Ny tsy famelana io hiteny dia fanapenam-bava an’Andriamanitra”.

 Ampahany amin’ny fanambarana nataon’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na HMF io nandritra ny fotoam-bavaka, ny sabotsy 03 martsa teo, natao tetsy Anosivavaka Ambohimanarina, izay tanàna anisan’ny manamarika ny tantaran’ny fiangonana FJKM. Ny fitoriana ny fahamarinana sy ny hampanjakana izany eto Madagasikara no mampijoro ny HMF. Manan-danja ny fisian’ny radio hahafahana mifampizara izany amin’ny vahoaka sy ny mpitondra ihany koa. Nohamafisin’ireo mpitondra fivavahana tamin’io fotoana io fa na miverina indray aza ny fandrahonana hampidirana am-ponja ireo mpitondra fivavahana dia hijoro ary tsy hihemotra izy ireo, indrindra manoloana izao krizy mila handrendrika ny Malagasy izao.

Nisy, araka izany, ny antso avo nataon’izy ireo ho an’ireo fikambanana, hetsika, … izay efa resy lahatra fa ny fametrahana ny fahamarinana ihany, omban’ny fifamelana sy ny fihavanana tena izy, tsy misaraka amin’ny tahotra an’Andriamanitra no hampivoaka ny firenena ao anaty krizy, mba hifanatona. Nampirisika sy nampahery ireo efa nilokaloka fa hanaja ny fahamarinana mba hanatanteraka izay amin-kerimpo koa ny HMF, izay nanambara fa vonona hiara-miasa sy hifanome tanana, ho fahatanterahan’izany. Tonga maro ny olona na teo aza ny haratsin’ny toetr’andro. Tazana teny ny minisitry ny fiompiana Ihanta Randriamandrato sy Parlemantera vitsivitsy, ny Pr Ranjeva Raymond.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT