Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana : misy mifofo ny ain’ireo mpitandrina


  • Alakamisy 04 Novambra 2010


« Tsorina fa mihatra aman’aina ny vokatry ny fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinana, ary tena tsapanay tokoa ny fahamarinan’Andriamanitra. Raha saina avy amin’olona ihany tokoa izany dia efa ela no foana fa tena asan’Andriamanitra eto amin’ny firenena izao ka tsy azontsika foanana velively », hoy ireo mpitandrina eo anivon’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana tao anatin’ny fanambarana izay nataon’izy ireo nandritry ny fotoam-bavaka tetsy Antsahamanitra ny alatsinainy lasa teo.

Araka ny vaovao marim-pototra àry dia fantatra fa dia misy mifofo tokoa ny ain’ireo mpitarika ny Hmf, ao anatin’izany ny pastera Randriamisata Roger sy ny pastera Rafanomezantsoa Maurice De Dieu. Ankoatra izay dia naely tamin’ny gazety sy haino aman-jery sasany fa nandefasana taratasy fampiantsoana ny Hmf. Hatreto anefa, araka ny fanazavana dia tsy nahazo izany taratasy izany mihitsy izy ireo. « Inona moa no hampanantsoina anay ? Inona no olana, raha ilay fotoam-pivavahana teo Antsahamanitra iny, dia nahazoanay alalana ara-dalàna”, hoy ny pastera Randriamisata. Raha ny fahitan’izy ireo dia mifono teti-dratsy ny fampielezana vaovao tsy mitombina toy izany. « Te hanamarina fisamborana tsy ara-dalàna izy ireo », hoy ity raiamandreny ara- panahy.

Raha tsiahivina dia tsy vao izao no nahazo karazana fandrahonana sy fampihorohoroana toy izao ry zareo avy ao amin’ny Hmf. Nisy mihitsy aza moa fotoana voatery niery izy ireo ka tsy hita nandritry ny 3 volana. Tsy hihemotra anefa ny Hmf ary hijoro amin’ny fahamarinana hatramin’ny farany.“Sahinay ny milaza fa ny Fanahin’i Kristy no manery anay, ka tsy hahazoanay mangina na hipetraka hitazam-potsiny manoloana ny loza mihatra amin’ny mpiray tanindrazana aminay na dia maniry ho ‘mpitazana’ sy ho ‘betsimiteny’ tahaka ny maro aza izahay, manoloana ny zava-tsarotra sy ny fanenjehana naterak’izany fandraisan’andraikitra izany. Fantatra fa manomboka amin’ity anio ity dia handefa taratasy fanairana sy filazana ny zava-misy eny anivon’ireo masoivoho vahiny ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. 

Soa   
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT