Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Mijoro hiady amin’ny tsy fahamarinana


  • Alarobia 14 Febroary 2018

Nangina nandritra ny 8 taona ka indro nifoha tamin`ny torimasony ny HMF (Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana) manoloana ny fijalian’ny vahoaka Malagasy Mpiray tanindrazana. Kihon-dalana lehibe ho azy ireo ny vanim-potoana ankehitriny satria maro ny endri-javatra efa manaporofo ny asan’ny « tsy marina » sy izay rehetra mpomba azy ankehitriny.

 
Miharihary ny tsy fahombiazan’ny mpitondra ary toa voatery mitoetra ao amin`ny tsy fahatoniana ny Malagasy ka tsy ahafahan`ny vahoaka mampiasa ny fahefana kanefa i Madagasikara dia tany demokratika. Araka ny nambaran`ny Mpitandrina Randriamisata Roger dia ``tsy afaka ny hangina intsony izahay fa hiteny ary hijoro mba hampijoro ny fahamarinana eto amin`ny tanindrazantsika. Hampianarinay ahafantatra sy hitaky ny zony voahitsakitsaka ny vahoaka ary hijoro ho mpitarika azy ireo izahay amin`ny fotoana rehetra ilany izany``.  Tena tsy tafandrimandry tanteraka intsony ny HMF, noho ny fahitana ny  lalana izoran’ny firenena mankany amin’ny  fahasimbana  sy ny fahapotehan’izay kely sisa mbola hananana. Amin’ny fotoana hisian’ny olana mantsy tsy fantatra izay afaka mamonjy. Izany no antony itorian’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana  ny fahamarinana mba hizotra amin’ny lalana mahitsy hatrany ny Malagasy ary hanankina ny fiainana amin’Andriamanitra. Teboka telo no navoitra nandritra ny valandresaka tamin`ny mpanao gazety omaly dia ny Malagasy no tompon`ny fahefana, i Madagasikara an`ny Malagasy ary fifidianana demokratika ho an`ny rehetra. Amin’ny fotoana hahatanterahan’izany mantsy dia ho rehareha ilay hoe « dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay ».


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT