Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Miantso ny mpitondra hiala am-pilaminana


  • Talata 24 Aprily 2018

Manoloana ny toe-draharaham- pirenena dia tsy afaka ny hangina izahay Mpitondra Fivavahana mivondrona ato amin’ny HMF (Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana), hoy ny fanambaran’izy ireo omaly, izay nosoniavin’ny mpandrindra dia ny mpitandrina Randriamisata Roger sy ny mpitandrina Ramamonjisoa Philibert.

Hentitra izy ireo nilaza, fa tena heloka eo  anatrehan’Andriamanitra sy ny Tanindrazana ny fandatsahana ny ran’ny mpiray Tanindrazana ka tokony hibabohana fa tsy ho tohizana sanatria. Ny fihavanana sy ny fifampiresahana dia tena ilain’ny firenenena ary tokony hatao maika izany mba hiverenan’ny filaminana sy ahazoana manangana rafitra iombonana hizorana mankany amin’ny fifidianana milamina handraisan’ny rehetra anjara, hoy hatrany ity fanambarana ity. Tsy nisorona ny HMF nilaza fa ny mpitondra fanjakana dia natao hiaro ny ain’ny vahoaka entina koa rehefa solofaka toy izao dia antsoina mba hanam-pahendrena hiala am-pilaminana. Hafatra miantefa amin’ny mpitandro ny filaminana ny hoe:  “Aoka hisintaka tanteraka amin’ny politika ary tsy hamono ny vahoaka noho ny baiko politika”.  Miantso ny mpiray tanindrazana rehetra hiray hina tanteraka. Hiombom-po amin’ireo manana ny maty sy maratra isika ary hivavaka mafy ho an’ny Firenena mba hanjakan’Andriamanitra, hialan’ny asan’ny maizina rehetra, hoy hatrany ity fanambarana ity.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT