Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana : Miala any ny «1+1»


  • Alatsinainy 22 Martsa 2010

«1+1», io indray no teny fanentanana entin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana hanomanany hetsika lehibe hataony ato ho ato.

Hetsika faha-6 io, hatramin’ny 28 desambra 2009 nisehoan’izy ireo vatana tao Antsahamanitra, araka ny fanazavan’ny mpitandrina, Tiana Ranaivonarivo, iray amin’ireo mpitarika. Nanokana roa andro nitodihana tamin’Andriamanitra hahafantarana ny sitrapony izy ireo ny herinandro lasa iny, ka hiroso amin’ny dingana manaraka, dia ny fanatanterahana. Tsy mbola nambara kosa anefa na ny endrika hisehoany na ny fotoana hanatanterahana izany.

Fa tetsy an-kilan’izay dia tonga namangy sy nampahery ireo naratra nandritra ny fihetsiketsehana an-dalambe niseho tamin’ny herinandro lasa iny teny Anosy sy Mahamasina, ka tsaboina ao amin’ny HJRA Ampefiloha ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny sabotsy 20 martsa teo. Roa no niditra hopitaly tao, ny iray sivily lehilahy 65 taona, voan’ny bala fingotra teo amin’ny handriny, efa nivoaka ny hopitaly ; ny faharoa kosa polisy am-perinasa nisy nandratra teny Mahamasina, mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly ary izy no novantanin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana tamin’io sabotsy io.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT