Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Hifamotoana eny amin’ny Fjkm Androndra rahampitso


  • Alatsinainy 07 Jona 2010


«Jehovah hiady ho anareo fa ianareo kosa hangina». Io no filamatry ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana amin’ity herinandro ity, hanohizan’izy ireo ny vavaka ho an’ny firenena hametrahana ny Fahamarinana. Tamin’iny herinandro lasa iny dia nifandimby nampiantrano ny fotoam-bavaka nomanin’izy ireo ny Fjkm 67ha sy ny Fjkm Ambatomena niraisan’ny kristianina sy ireo Malagasy te hametraka izany Fahamarinana izany eto amintsika. Amin’ity herinandro ity dia eny amin’ny Fjkm Androndra Fahasoavana indray no hiombom-bavaka ny rehetra rahampitso talata antoandro. Efa am-bolana izay dia misy fotoam-bavaka hatrany eny amin’ireo fitandremana isan-tokony, hitondrana am-bavaka ny firenena, hiadiana amin’ny fahalovana samihafa. Araka izany, na dia eo aza ny ezaky ny sasany namoretana ny HMF, dia tsy mihemotra izy ireo fa miroso hatrany, indrindra taorian’ireny herisetra natao tamin’ireo mpitondra fivavahana ny alakamisy 20 mey lasa teo ireny, ka nahafatesana mpitandrina iray, misy mbola any am-ponja. 

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT