Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Hifamotoana ao amin’ny kianjan’Alarobia


  • Zoma 02 Aprily 2010

Toerana telo, dia ny kianjan’Alarobia, Antsonjombe, ary Malacam no nangatahan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) amin’ny fanompoam-pivavahana hataon’izy ireo amin’ny alatsinain’ny Paska, 05 aprily, ho avy izao.

Ny kianjan’Alarobia àry no nomen’ny kaominin’Antananarivo ho an’ny HMF hanatontosana izany fotoam-bavaka izany, nahazoana alalana. Raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ireo raiamandreny am-panahy omaly, dia hiavaka noho ireo hetsika dimy efa vita ity hatao amin’ny alatsinainy ity satria ny hery velona rehetra, mahatsiaro fa mila famonjena ny firenena dia hiara-hisalahy amin’io hetsika io. Ny HMF no hitarika sy handrindra ary handamina fa hiara-hijoro amin’izy ireo ny hery velona hafa. Araka ny fanazavan’izy ireo dia nasaina avokoa ny ankolafy rehetra amin’ity hetsika faha-6 ity, eo koa ry zareo avy ao amin’ny FFKM. “Tsy mivaona amin’ny tanjony ny HMF, dia ny hilaminan’ny firenena, hifaranan’ny krizy hahazoana miroso amin’ny fampandrosoana ; eo koa ny mba hihavanan’ny samy Malagasy sy ny hampijoroana ny fahamarinana eto amin’ny firenena”, hoy ny mpitandrina Roger Randriamisata. Amin’io fotoan-dehibe io koa no hilazan’ny HMF izay lalana heverin’ireto mpitondra fivavahana fa hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao. Ankoatra izay manoloana ny fisamborana olona tato ato, dia nambaran’ny HMF fa tsy fotoanan’izany fisamborana izany izao. Ireny didim-pitsarana momba ny raharaha Solohery Hilaire ireny sy ny tany Moramanga, hoy ireto raiamandreny dia mitory fampitahorana ny HMF. “Ndeha hisafidy hanao rodobe eny amin’ny kianjan’Alarobia”, hoy ny HMF. Hifanentana sy hifampitaona ny rehetra ao anatin’ilay hetsika 1+1 amin’io fotoana io. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT