Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Hiasa ho amin’ny fifamelan-keloka


  • Talata 06 Aprily 2010

Na dia marobe aza ireo fety aman-danonana natao teto an-drenivohitra sy ny manodidina, tao anatin’ny fanamarihana ny ny alatsinain’ny Paska dia nangorom-potsy ary hipok’olona tanteraka ny kianjan’Alarobia omaly.

Fotoam-bavaka lehibe ho an’ny firenena, hamaranana izao krizy izao no niainana teny. Anisan’ny nivoitra tamin’ny toriteny ny fiantsoana ny Malagasy hijoro, hiasa am-pahamarinana, tsy hangina ihany koa eo anatrehan’ny tsy rariny. Lalana roa ihany no ahazoana mamarana ny krizy sy mamerina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena sy ny fiaraha-monina, araka ny hevitry ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF). Na isika hanaraka ny lalana araka ny fihevitry ny olona dia ny famahana amin-kery ny olana ka ampiasana fiadiana sy hery hifamonoana sy hakana fahefana. Izany anefa dia hanamafy ny fifankahalana sy ny fanohizana ny samy maka ho azy. Amin’izay lalana izay dia mipetraka vetivety izay resy fa mijoro indray aoriana fa hitohy holovain’ny taranaka ny disadisa na koa isika hanaraka ny lalana hitondran’Andriamanitra antsika ka ireo olona vonona hiady sy handresy araka ny sitrapon’Andriamanitra no ilaina. Noho izany dia hampandefitra ny hambompo ka hiditra amin’ny fifamelan-keloka, ho sahy hijoro amin’ny fahamarinana na dia haningotra ny aina aza. Lalana tsy misy herisetra sy ra latsaka izany fa miafara amin’ny fihavanana sy ny filaminana maharitra, araka ny fanazavana ihany. Te hahazo fandresena isika ka tsy maintsy misafidy ny lalana miaraka amin’Andriamanitra.

 Raha ny fanambarana anefa dia mila fahasahiana sy finoana mihoatra noho ny handray fitaovam-piadiana izany. Manoloana izany indrindra dia manentana ny Malagasy ireto raiamandreny ara-panahy ireto mba hanary ny sampy, tsy hanome fitoerana ho an’ny devoly toy ny fo lentika, ny fahavinirana, ny fahatezerana ary ny fitabatabana sy fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra, eo koa ny tokony hampijoroan’ny isam-batan’olona, isam-pianakaviana sy isam-pokontany ny fahamarinana. Ankoatra izay dia manentana ny rehetra hanaja ny fanekena natao ny HMF, handresy ny tahotra sy ny fanamarinan-tena fa hiasa ho amin’ny fifamelan-keloka. Momba izany indrindra dia nilaza ireto raiamandreny ara-panahy fa amin’ity herinandro ity dia hiditra tanteraka amin’izay asa fifamelan-keloka izay izy ireo, eo koa ny asa hamotsorana ireo voafonja ara-politika. Hanaitra ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy ireo manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Raha toa moa ka mbola misy ireo miziriziry ka hampandohalika ny firenena dia hiditra amina dingana vaovao sady mafy kokoa ny HMF ka ireo mpitondra fivavahana no ho lohalaharana hitarika izany. Nanao antso ho amin’ny fanambarana ny hery ihany koa izy ireo hiara-hijoro ho manda hiaro ny firenena. Omaly moa dia tsy vitsy ireo hery politika nanohana ny antson’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, toy ny ankolafy Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert, ny avy amin’ny Grad Iloafo, ny legaslita sy ireo hery velona hafa.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT