Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Hany lalana : ny fifamelan-keloka


  • Talata 20 Aprily 2010

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia dingana lehibe indrindra tsy maintsy hatao ny fifamelana, manomboka amin’ireo mpifanandrina ka hatramin’ny isam-batan’olona, hoy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana.

Ny 22 aprily izao àry, izany hoe ny alakamisy ho avy izao dia eny amin’ny toeran’ny mpiara-mamaky ny Baiboly eny Mandriambero, Ambohidratrimo no iantsoan’ny HMF ireo avy amin’ireo ankolafy efatra. Solontena fito isaky ny firehana no andrasana eny an-toerana amin’ny alakamisy izao. Efa lasa ny taratasy fanasana, araka ny fanazavana. Ny tanjona dia ny hiverenan’i Madagasikara amin’ny filaminana, ka io fifamelan-keloka io, hoy ny mpitandrina Randriamisata Roger, dia hitarika sy hampianatra ny vahoaka hifamela ihany koa, handravona ny lonilony, hampitony ireo mpiray firenena, hahatonga ny filaminana sy ny fifanajana ialana amin’ny savorovoro. Ny zava-misy ankehitriny, raha ny fahitan’ny HMF azy dia tsy afaka manao adihevitra politika intsony ary dia tonga hatrany amin’ny isam-pianakaviana ny fifampiahiahiana. Ny resaka ihany no ahafahana mamaha ny olana, hoy ihany ny HMF. Ireny lazaina fa fanonganam-panjakana ireny, hoy ireto raiamandreny am-panahy dia mampiseho ny tsy fanjarian’ny fiainana eto amintsika. Araka ny fanazavana moa dia santatra ihany ity dinika hitondra amin’ny fifamelan-keloka hatao amin’ny alakamisy ity fa ny 11 mey dia mbola hitohy izany ary hivelatra amin’ny ankolafy hafa sy firehana hafa. Ny toerana hanaovana izany no tsy mbola fantatra, araka ny vaovao ihany. Tsy hijanona eto an-drenivohitra ny hetsika fa hisandrahaka hatrany amin’ny faritra. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT