Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Hangorom-potsy Antananarivo rahampitso


  • Alarobia 10 Martsa 2010

«Marary ny firenena, ka mila fanasitranana», hoy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF). Ny anton’izany dia mihavitsy ny ‘olo-marina’, araka ny fanazavana.

Noho ny fitiavam-bola sy seza dia mivarina any amin’ny tsy fahamarinana ny olona sasany, hoy ihany ireto raiamandreny ara-panahy ireto. Ankoatra izay, dia nambaran’ireo mpitondra fivavahana fa mihatra aman’aina ny fahorian’ny vahoaka maro an’isa ary mihatra any amin’ny taolana ny fisarahana sy ny fifankahalana nambolen’ireo be politika izay hita fa tsy te hahalala fa miezaka manohy izao lalana ratsy izao, araka ny fanazavana ihany. Manoloana ireo rehetra ireo àry dia miantso ny Malagasy rehetra hijoro ho olo-marina ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Hetsika roa lehibe no hataon’ny HMF amin’ity herinandro ity ankoatra ilay fizarana ny taratasy misaritra ny tsirairay handini-tena manoloana ny zava-misy. Ireo hetsika roa ireo dia iantsoan’ireo mpitondra fivavahana ny olom-pirenena rehetra hijoro tokoa amin’ny fahamarinana.

Rahampitso alakamisy dia ho andro fijoroana vavolombelon’ny fahamarinana. Izany dia ho fitarihana sy fampianarana ny olona hanapa-kevitra hiverina amin’ny fahamarinana, araka ny fanazavana. “Ny olona rehetra mangetaheta fahamarinana sy maniry mafy hifaranan’izao krizy izao dia hitondra famantarana fotsy eny amin’ny tenany”, hoy ny mpitandrina Roger Randriamisata, nanentana. Ny marainan’io alakamisy io moa, amin’ny 7 ora dia hisy fotoam-bavaka iombonana eny amin’ny FJKM Ambatomena. Ny sabotsy indray dia eny Ambohijatovo no hiara-hijoro amin’ny olona mangetaheta fahamarinana sy nanapa-kevitra ny hijoro ho olo-marina ireto raiamandreny hitondrana am-bavaka ny firenena hialana amin’izao lalan-tsarotra nitondrana azy izao ka mba hifaranan’ny krizy haingana dia haingana. In-5 amin’izao ny fotoam-pivavahana nataon’ny HMF ka ny hampiavaka ity indray mitoraka ity dia hasain’ny HMF ireo filoham-piangonana, indrindra ny avy ao amin’ny FFKM. Eny Ambohijatovo moa no hanaovana ny fanompoam-pivavahana ka efa nalefan’ny HMF any amin’ireo tompon’andraikitry ny tanàna ny fangatahana alalana ho amin’izany.

“Hitarika ny olona hijoro amin’ny fahamarinana no iraka ampanaovina anay”, hoy ireto mpitondra fivavahana koa raha tafita izany, araka ny fanazavana, dia hisonga ny fiainam-pirenena. Tsy hijanona amin’izao krizy izao ihany koa ny Hetsika fa na dia efa tafapetraka aza ny Repoblika faha-4 dia mbola hijoro amin’ny maha raiamandreny azy izy ireo.

 
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT