Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Hanao fanambarana lehibe…


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Raha tsy misy ny fiovana dia hanao fanambarana sy valandresaka amin’ny mpanao gazety ao amin’ny Motel Anosy ny HMF (Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana) rahampitso talata 13 febroary, izay heverina fa tsy hivaona firy amin’ny raharaham-piangonana sy ny raharaham-pirenena.

 Tsiahivina fa tsy nikoso-maso nanoloana ny tsy mety teto, toy ny firongatry ny kolikoly, fangejana sy fanakatonana haino aman-jery nataon’ny fanjakana tetezamita, ary indrindra ny fahantrana lalina mianjady amin’ny vahoaka dia ny mpino ihany izy ireo nanomboka tany amin’ny krizy 2009. Anisan’ny nanakiana ny fampihavanam-pirenena notarihin’ny FFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) tamin’izany satria ho an’ny HMF manokana dia nisy ny namoy ny ainy, nogadraina, notevatevaina, nohenjehina sy norahonana andro aman’alina,.... Tsy ho vahaolana io FFM io, hoy ny pasitera Roger Randriamisata tamin’izany, ary niaraha-nahita fa nitsefotra tokoa. Mbola nilaza ny tenany taty aoriana tamin’ny fakan-kevitra natao taminy, fa tsy manana endrika amin’ny maha raiamandrenin’ny rehetra azy ireo mpampihavana satria betsaka ny voasaringotra tamin’ny raharaha 2002, 2009,… kanefa dia niditra ao anatin’ny CFM amin’izao fotoana. Tsy misy valaka tamin’ny tetezamita ny faharatsian’ny fiainam-pirenena amin’izao, ary vao mainka miharatsy aza. Mifoha amin’ny torimasony ka handray ny andraikitra sy hamerina ny hetsika toy ny tany amin’ny 9 taona lasa ve ny HMF mba hamonjena ny ondriny ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT