Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Haka fanapahan-kevitra goavana anio


  • Alatsinainy 26 Aprily 2010

Didy fampisamborana no azon-dRandriamisata Roger, mpitandrina ao amin’ny Fjkm Ambohimamory, taorian’ny zava-niseho teny an-toerana herinandro lasa izay. Ho an’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) dia mamaky ady amin’ny vahoakan’Andriamanitra i Satana, manoloana izao zava-misy izao.

«Aza misalasala na dia tsy mora aza izany (…). Rehefa miaraka amin’Andriamanitra dia manoatra noho ny mpandresy isika (…)», hoy ny mpitandrina Ranaivoniarivo Tiana, izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra teny amin’ny FJKM Mandrosoa Ambohijatovo, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny fanompoam-pivavahana nokarakarain’ny HMF nitondrana am-bavaka manokana ny mpitandrina Randriamisata Roger sy ny firenena. «Tsy maintsy mijoro isika», hoy ihany ity mpitarika ny HMF ity. Tetsy an-danin’izany, raha nandray fitenenana ny mpitandrina Randriamisata Roger, dia nilaza fa mandalo zava-tsarotra ny fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra, hevitra hitondra fiadanana anefa izany, araka ny fanazavany. Nomarihiny fa tsy vao izao no nandalo zava-tsarotra sy antsojay ny HMF. Tsy latsaky ny in-3 izany. Tany am-piandohana, raha ny fanazavany, dia efa nisy ny filazana fa hosamborina ireo mpitarika telo dia ny mpitandrina isany, Philibert Ramamonjisoa, Roger Randriamisata ary Tiana Ranaivoniarivo. Tsy misy tahotra na ahiahy na koa tebiteby izahay, hoy izy nanamafy. Fitiavana an’Andriamanitra, ny fiangonana, ny firenena no antom-pijoroanay, hoy ihany izy. “Izay mikasika ny mpanompon’Andriamanitra dia mikasika ny anakandriamason’Andriamanitra”, hoy ihany ity raiamandreny ara-panahy ity. “Raha misy izao sedra izao, dia handeha hivavaka, hiantoraka amin’Andriamanitra, handini-tena”, hoy ny pastera Philibert Ramamonjisoa.

Ny zavatra atao amin’ny mpitandrina Randriamisata Roger, hoy kosa ny mpitandrina Razafiniarivo dia famongorana sy famotehana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Ny toe-javatra niseho teny Ambohimamory, hoy izy, dia tsy nanatrika izany akory ny mpitandrina Randriamisata, tsy nisy nidirany akory kanefa dia izao namoahana didy fampisamborana izao ny tenany. “Tsy hihemotra isika, tsy hihemotra izahay”, hoy ity raiamandreny am-panahy ity satria olona maro no miandrandra ny HMF. “Tsy izy intsony izao zavatra miseho izao. Nanao izay azo natao izahay amin’ny resaka fampihavanana sy fifamelan-keloka kanefa dia fankahalana no setriny”, hoy ny mpitandrina Razafiniarivo. Araka ny fantatra moa dia nampandre ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto amintsika ny HMF manoloana ireo antsojay mihatra aminy ireo. Manentana ny rehetra hatrany moa ny HMF hijoro ho olo-marina. Fantatra fa amin’ity anio ity dia mbola hisy hatrany fotoam-bavaka hatao eny amin’ny FJKM Ambohimanandray, Ambohimanarina. Hetsika faha- 7 iarahana amin’ny HMF izy ity, hanambaran’ireo raiamandreny am-panahy izay fanapahan-keviny manoloana ny zava-misy iainana eto amin’ny firenena.

 Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT