Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana “Fotoana itenenana izao”


  • Alatsinainy 11 Martsa 2013

«Raha misy sahy miteny aminao dia ho sosotra ve ianao ? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany ?” Joba 4:2 no teny nanorenan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny fotoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny firenena, ny sabotsy lasa teo tao Antsahamanitra.

 Ny mpitandrina Rafanonerantsoa Valisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra nandritra izany. Tamin’izany no nanentanany ireo kristianina rehetra tonga teny Antsahamanitra fa mila miteny manoloana ny zava-misy ny rehetra, fotoana itenenana izao, hoy ity raimandreny ara-panahy ity kanefa raha ny zava-misy dia toa moana daholo ny rehetra. Momba ny resa-pifidianana dia nametra-panontaniana ny amin’izay mahamaika hirosoana amin’izany ny pastera Rafanonerantsoa Valisoa. Maika hanao fifidianana ny mpanao politika, hoy izy satria amin’izay mba ara-dalàna ny sezany ary dia mba ho tonga olom-boafidy amin’izay izy. Ny rehetra anefa samy mahatsapa, hoy ihany izy fa io fifidianana io no tsy demokratika indrindra, indrindra raha hampiharina ilay hoe “ni…ni”, hoy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana izay mbola nanamarika hatrany fa io fifidianana io no tsy hoeken’ny rehetra, tsy eken’ny Malagasy na dia hoeken’ny iraisam-pirenena aza. Ny olona andrasana sy antenain’ny vahoaka tsy mbola eto.

Etsy andanin’izany dia mahamaika ny vahoaka ny hanao fifidianana satria efa leo ny fahantrana ka te hilaza ny heviny ny vahoaka. Ny mpandinika anefa, araka ny fanazavana dia mahita fa tsy ny fifidianana no vahaolana sy tanjona fa betsaka ireo zavatra mila alamina, ao anatin’izany ny Fihavanana sy ny Fampihavanana. Ohatra notsongainy amin’izany koa ny famotsoran-keloka. Mialoha ny famotsoran-keloka dia mila fibebahana sy fifonanana ampahibemaso. Aorian’ny famotsoran-keloka vao hirosoana ny fampihavanana izay vao fifidianana. Tsy misy manana ny fahamarinana 100% ny rehetra ka tsy tokony hanamari-tena fa mila mibebaka. Mila mandini-tena ny rehetra, hoy ihany ity mpitandrina ity izay nanamarika fa nanana ny andraikiny koa ny vahoaka Malagasy tamin’ireny fandrobana sy fandoroana niseho teto amin’ny firenena ny 26 janoary 2009 ireny.

Mila mibebaka koa ny vahoaka, araka izany. Tsy nahavita ny andraikiny koa ireo mpitandro ny filaminana, hany ka sady mandry fotsy no mandry tsy lavo loha ny Malagasy. Heverin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana fa feno fitaka sy lainga ny fitadiavam-bahaolana rehetra natao sy mbola izorana. Ho an’ireto raiamandreny ara-panahy ireto dia tsy mbola hivaha aorian’ny fifidianana ny krizy ary dia mbola hisy krizy vaovao ho mafy kokoa raha izao fomba feno tsy fahamarinana izao no hamahana izany olan-pirenena izany. Nohamafisin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana fa tsy mazava ny fomba nananganana ny Filankevitra momba ny Fampihavanana. Tsy azo fitahiana na ary tsy hanaiky izany na oviana na oviana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana izay nilaza fa vonona hifamela sy hihavana amin’ireo nanisy ratsy azy ireo. “Maloto sy feno fahavetavetana manohitra tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ny zavamisy eto amin’ny firenena”, hoy ihany ireto raiamandrenim-piangonana izay mbola nanamafy fa ny fiverenana amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny tahotra an’Andriamanitra ihany no tena vahaolana.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT