Anisan’ireo nihaona sy nifampiresaka tamin’ny solontenan’ny Groupe International de Contact na ny GIC, omaly, ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana. Mpitondra fivavahana 30 mahery izy ireo no nirodorodo tetsy amin’ny Carlton.
Laharam-pahamehan’ireo raiamandreny am-panahy ny famahana ny krizy eto amintsika. Ho azy ireo dia tokony hohajaina ireo fifanarahana efa nosoniavina. Anisan’ny soso-kevitr’ireo mpitondra fivavahana ireto ny amin’ny tokony handravonana ny Fihavanana. Tsy ny fifidianana no tokony hahamaika, hoy ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana. Tsy tokony hatao hamehana izany fifidianana izany fa mialoha izany, ankoatra ny Fihavanana, dia tokony hojerena ny lalàm-panorenana, ny sata hifehy izany fifidianana izany. Ny fampiharana ireo fifanarahana vita sonia tany Maputo sy Addis Abeba no anisan’ny hamerina izay Fihavanana izay. Tokony hapetraka koa, hoy izy ireo, ny komity mpanara-maso ny fampiharana izany fifanarahana izany. “Miandry antsika Malagasy hihetsika araka izay azo atao ny fianakaviambe iraisam-pirenena manoloana ny zava-misy ankehitriny, ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, ny fiziriziriana sy ny maro hafa”, hoy ny Mpitandrina Ranaivoniarivo. Voaresaka tamin’ny dinika nifanaovan’ny GIC sy ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana koa ny fanampenam-bava ny onjam-peo Fahazavana, ny nanagadrana ireo mpiasa ao, dia ny tale sy ny mpanao gazety, teo koa ireo antsojay sy herisetra atao amin’ny fiangonana sy ireo olony. Noraketina an-tsoratra sy an-tsary ireo zava-nitranga rehetra ireo ka natolotra ireo vahiny ny antontan-kevitra voarakitra. Etsy andanin’izay dia mitohy hatrany ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana, araka ny fanazavana. Hihaona amin’ireo ankolafy rehetra izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.