«Tsy ankasitrahan’Andriamanitra izao fitondrana izao”, “Manao antso avo amin’ny olo-marina tsy hiara-hiasa amin’izao fitondrana izao». Santionany tamin’ny fanambaran’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) ireo, nandritra ny fanompoam-pivavahana lehibe faha-7 notontosain’izy ireo tao Antsonjombe ny sabotsy 08 mey teo.
Karazan’ny tapaka ny tady, raha izao fandehan-javatra izao, satria nahitsy dia nahitsy ny tenin’ny HMF. «Tapitra ny fe-potoana nomen’ny Tompo ka fahendrena ho an’izao fitondrana izao no miala fa ny fikirizana hifikitra eo amin’ny fitondrana dia fametrahanareo ny tenanareo ho mpiady amin’Andriamanitra », hoy ihany izy ireo. Raha niezaka ny namintra-pihavanana sy nananatra hatramin’izay ny HMF, tamin’iny fanambarana iny kosa dia nivantana, nahitsy ny fitenenana fitakiana fialan’ny HAT, mitondra ankehitriny. Tsy ny HAT ihany anefa no notenenin’izy ireo fa manana andraikitra koa ny vahoaka, hoy izy ireo. Ny firaisana tsikombakomba amin’ny faharatsiana dia mampateza sy mampanjaka ny aizina eo amin’ny firenena, hoy ireto mpitondra fivavahana. Mitaona ny Malagasy hijoro ho amin’ny fahamarinana ny mpitondra fivavahana manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Nampiavaka ny hetsika tamin’ny sabotsy teo ny fijoroan’ny mpitsara sy mpisolovava tamin’ny alalana fanambarana.
Teo koa ireo mpikaroka izay nilaza fa «ampy izay, tsy azo avela hanjaka ela eto intsony ny tsy rariny sy ny fiziriziriana» ; mila misikim-ponitra ny rehetra hamerenana faran’izay haingana ny ara-dalàna eto amintsika, hoy ihany ireto mpikaroka. Ireo mpisolovava moa, an-daniny, dia niantso ho amin’ny fampiharana marina ny lalàna velona sy ny fanajana ny zon’olombelona, mitaky ny hampitsaharana tsy misy fepetra ny fanagadrana tsy misy antony, ny hamoahana ny Maître Rabemananjara Noro. An-kilany dia nanao antso avo tamin’ireo mpitsara namany ny ‘Collectif des Magistrats’, tsy hanaiky lembenana intsony, fa hiara-hanangana ny fahaleovan-tena marina amin’ny tsy fiandaniana, hiverenan’ny hasin’ny fitsarana, ho fialofan’ny malemy tokoa. Ao anatin’ilay fanambaran’ireo vondrona mpitsara ireo moa no nilazan’izy ireo ny fanoherana ny faneriterena, ny kolikoly, ny fanilikilihana sy ny fanasaziana atao amin’ireo miezaka mampihatra ny lalàna, ny fampidirana ny politika ao anatin’ny fitsarana ka lasa fitsarana miandany. Nampiaka-peo ihany koa, ankoatra ireo, ireo mpandraharaha eny anivon’ny oniversite izay mahatsapa fa dia mihatra aman’aina ny zava-misy ankehitriny. Raha ireo rehetra ireo no fintinina dia nanomboka nanoka-bava ireo tsy re feo hatramin’izay. Niainga tamin’ireo mpitandro ny filaminana izany tamin’iny herinandro iny. Izay hanampy tosika amin’ity herinandro ity no tsy fantatra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.