Hetsiky ny mpitondra fivavahana

Etsy Antsahamanitra no fotoana anio


  • Alarobia 25 Oktobra 2023

Etsy Antsahamanitra no fotoana amin’ity anio ity miaraka amin’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana na HMF,

araka ny fampahafantarana efa nataon’izy ireo tamin’ny herinandro lasa teo. Fanompoam-pivavahana ho fanandratana vavaka ho an’i Madagasikara no ho atao eny an-toerana amin’ity anio ity, hoy ny fanazavana, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Tsy afaka ny hipetra-potsiny izahay, hoy ny HMF, araka ny teny voalaza ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Estera 8:6 manao hoe “Fa ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?”. Efa nanambara izahay fa fotoana tokony hijoroana izao satria efa mahakasika ny vahoaka ny toe-draharaha, hoy hatrany ny HMF.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT