Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana : “Atsaharo ny teny mandranitra ady !”


  • Talata 23 Martsa 2010

«Tsy rariny, tsy izy intsony ny zava-misy ankehitriny… ». Santionany tamin’ny tenin’ireo Mpitondra Fivavahana nanoloana ny mpanao gazety, tao amin’ny Au Bon Accueil Ambatonakanga, omaly hariva momba ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny io.

 Namaly mivantana ny hoso-potaka atao amin’izy ireo ny raiamandreny am-panahy. “Atsaharo ny teny tsy voahevitra, mandranitra ady sy fifandrafiana izany”, hoy ihany izy ireo. Nohamafisiny fa dia tsy hangina izy ireo na dia eo aza ny fandrahonana, ny fisamborana, eny hatramin’ny fifofoana ny aina mihitsy. Niantso ireo mpitsara sy ireo mpitandro ny filaminana koa ireto raiamandreny am-panahy. Tsy nanafina ny alahelony koa izy ireo manoloana ny fiampangana sy lainga ary tsaho aely. Eo koa ny fanenjehana ireo mpiara-miasa amin’ny HMF, toa an’i Solohery Hillaire mivady izay nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora omaly taorian’ny fakana am-bavany azy teny amin’ny fitsarana. Raha ny vaovao dia hihamafy ny hetsika hataon’ny HMF ato ho ato. Nanamafy ny HMF fa tsy trakta araka izay lazaina akory no naely fa takelaka fampianarana ny olona na prospectus, ny vahoaka hijoro ho olo-marina. Soratra Masina avokoa, hoy izy ireo no anatin’io takelaka io. Tsy hijanona eto an-drenivohitra intsony koa fa hitatra hatrany amin’ny faritra ny hetsika. Rahampitso alarobia dia any Moramanga no hifamotoana ny rehetra. Fotoam-bavaka lehibe no hatao any. Araka ny fanazavan’izy ireo dia fahantrana ara-pisainana no tena misy eto amintsika fa tsy dia ara-toekarena loatra. Hisy àry ny hetsika goavana ho fanabeazana ny vahoaka, mba hijoro amin’ny fahamarinana sy ho tena olom-pirenena. Aorian’ny Paska dia toerana telo no nangatahan’ny HMF hanaovana izany dia ny eny amin’ny kianjan’Alarobia, Antsonjombe ary Malacam.  

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT