Finoana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana “Aoka izay ny jadon’ny miaramila !”


  • Alakamisy 18 Martsa 2010

“Aoka izay ny jadon’ny miaramila”, hoy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) manoloana ny famoretana nataon’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny mpiara-dia amin’ny ankolafy telo omaly.

Na inona lazaina na inona dia tompon’andraikitra lehibe ny miaramila, hoy izy ireo. Antso avo àry no ataon’izy ireo amin’ireo miaramila mba tsy handray baiko rehefa hitan’izy ireo fa tsy mifanaraka amin’ny fahamarinana sy ny rariny. Tokony hatsahatry ny miaramila ny famoretana ny olona izay maneho ny heviny am-pilaminana, hoy ihany ireo mpitondra fivavahana. Tsy fahamarinana ny fandratrana olona. Vao mainka voaporofo, hoy ny HMF fa tena tsy misy izany fahalalahana izany eto Madagasikara. Fa momba ny sazy dia nambaran’ny HMF fa tokony hiampy raha ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona eto no jerena. Tsy maniry sazy na ho an’iza na ho an’iza anefa izahay, hoy izy ireo satria hisy fiantraikany amin’ny Malagasy hafa izany. Efa fantatra, hoy ihany ny HMF ny fanafody koa nahoana no tsy nampiasaina. Midika izany, hoy ireo raiman-dreny fa dia olona tsy tompon’andraikitra ny olona tahaka izany ary tsy mendrika ny hitondra firenena. Momba ny hetsika manaraka moa, araka ny vaovao dia hetsika goavana kokoa no hatao ato ho ato, tsy ho ela. Tsy nanambara andro na daty moa izy ireo. Goavana noho izay efa nahazatra hatramin’izay no ketrehina ankehitriny. Ny tanjoan dia ny hitsaharan’ny krizy, hametrahana ny Fahamarinana ary hiaro ny vahoaka izay tsy misy mpiaro intsony, na ireo milaza azy ho mpitondra na koa ireo miaramila.

 Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT