Hetsika « Mandresy Madagasikara »

Niainanay ilay fandresena, hoy i Vahatriniana R.


  • Alarobia 14 Aogositra 2024

Nandeha tam-pinoana foana, ary rehefa misy zavatra atao dia tsy maintsy misy vola miala.

Nandray andraikitra anefa ny VDFI na ohatrinona na ohatrinona, ka izay no nahatonga an’ilay izy efa taty amin’ny 20 taona vao niitatra tamin’ny tanàna samihafa. Izay ihany koa anefa no manaporofo, ary niainanay izany, tsy afenina fa mbola tanora mbola mpianatra izahay tamin’ny 2002 izany, fa niananay ilay fandresena, mbola tsy niasa aza izahay, mbola mpianatra teny amin’ny anjerimanontolo notahian’Andriamanitra nanao an’ilay izy, ka fanamby teo anatrehan’i Jesosy hoe : izy no mitahy, azo tarafina amin’ny fiainanay ka tsy misy hoe : vola avy aiza na aiza fa tena fitahiana noho ny asan’Andriamanitra entinay manatanteraka ny Mandresy Madagasikara», hoy i Vahatriniaina Rakotomalala omaly, raha nitantara ny niainan’izy ireo ny roapolo taona mahery nisian’ny VDFI na (Vondrom-bavaka Dian’ny Finoana, izay miorina amin’ny fitoriana Filazantsara. Rehefa mandray an’i Jesosy dia mandresy ny olona amin’ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina, ara-pinoana, ka izay no tianay hoentina ho an’ny Malagasy, hoy hatrany izy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT